Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miseho imbetsaka ao amin’ireo Baiboly sora-tanana tany am-boalohany ilay anaran’Andriamanitra amin’ny soratra hebreo fahiny

FANTARO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Anaran’​Andriamanitra

Anaran’​Andriamanitra

Olona an-tapitrisany no mampiasa anaram-boninahitra toy ny hoe Tompo, Tsitoha, Allah, na Andriamanitra, rehefa mivavaka. Manana anarana anefa Andriamanitra. Tokony hampiasa azy io ve ianao?

Iza no anaran’Andriamanitra?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA?

 

Olona maro mitonona ho Kristianina no mino hoe Jesosy no anaran’Andriamanitra. Misy indray mieritreritra hoe iray ihany ny Andriamanitra Mahery Indrindra, ka tsy mila tononina ny anarany. Ny hafa kosa mihevitra fa tsy mety ny miantso an’Andriamanitra amin’ny anarany.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

 

Tsy Jesosy no anaran’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, satria tsy Andriamanitra Mahery Indrindra izy. Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao kosa ny mpianany: “Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao!” (Lioka 11:2) Na izy koa aza nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.”Jaona 12:28.

Hoy Andriamanitra ao amin’ny Isaia 42:8: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako. Koa ny voninahitro tsy homeko ny hafa.” “Jehovah” no nandikana an’ireo litera hebreo efatra hoe YHWH, na ny anaran’Andriamanitra. Miverina im-7000 eo ho eo io anarana io, ao amin’ny Soratra Hebreo. * Mbola latsak’izany ny isan’ny anaram-boninahitra hafa, toy ny hoe “Andriamanitra”, “Mahery Indrindra”, na “Tompo”, sy ny anarana hafa toy ny hoe Abrahama, Mosesy, na Davida.

Tsy milaza mihitsy i Jehovah ao amin’ny Baiboly hoe tsy azo atao ny mampiasa ny anarany amim-panajana. Hita ao kosa hoe tia nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny mpanompony. Nampidirin’izy ireo tao amin’ny anaran-janany izy io. Ny hoe Elia, ohatra, dia midika hoe “Jehovah no Andriamanitro.” Ny hoe Zakaria indray midika hoe “Nahatadidy i Jehovah.” Tsy nisalasala nampiasa ny anaran’Andriamanitra koa izy ireo rehefa nifampiresaka.—Rota 2:4.

Tian’Andriamanitra hampiasa ny anarany isika. Hoy ny Salamo 105:1: “Misaora an’i Jehovah, miantsoa ny anarany.” Mankasitraka an’ireo “misaintsaina ny anarany” mihitsy aza izy.—Malakia 3:16.

“Mba ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” —Salamo 83:18.

Inona no dikan’ny anaran’Andriamanitra?

Misy manam-pahaizana mino fa “Manao Izay Hahatonga Izy” no dikan’ny hoe Jehovah amin’ny teny hebreo. Midika izany fa afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina Andriamanitra ary azony ampiasaina araka izay ilany azy ny zavaboariny, mba hanatanterahana ny sitrapony. Ilay Mpamorona mahery indrindra ihany no mahavita an’ireo.

INONA NO HO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

 

Hiova ny fiheveranao an’Andriamanitra rehefa fantatrao ny anarany. Ho mora kokoa aminao ny hifandray aminy. Ahoana tokoa moa no hahafahanao hifandray akaiky amin’ny olona iray, raha tsy fantatrao ny anarany? Tena tian’Andriamanitra hifandray akaiky aminy ianao, matoa nampahafantariny anao ny anarany.—Jakoba 4:8.

Afaka matoky ianao fa hanatanteraka ny teniny foana i Jehovah, satria izany no dikan’ny anarany. Hoy ny Salamo 9:10: “Hatoky anao izay mahalala ny anaranao.” Vao mainka ianao hatoky an’i Jehovah, rehefa fantatrao hoe mahatonga azy hanao zavatra ny toetrany. Anisan’izany ny fitiavana tsy miovaova, famindram-po, fangorahana, ary ny rariny. (Eksodosy 34:5-7) Tena mampahery ny mahalala hoe hanantanteraka ny teniny i Jehovah, sady hanao zavatra mifanaraka amin’ny toetrany foana.

Tombontsoa tokoa ny mahafantatra ny anaran’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Hitondra fitahiana ho anao dieny izao sy amin’ny hoavy izany. Mampanantena mantsy Andriamanitra hoe: “Harovako izy, satria nanjary nahalala ny anarako.”—Salamo 91:14.

“Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara.”—Joela 2:32.

Anaran’Andriamanitra amin’ny fiteny samihafa

^ feh. 9 Baiboly maro no manolo ny anaran’Andriamanitra amin’ny hoe “TOMPO.” Andininy vitsivitsy na fanamarihana ambany pejy ihany no nasiana ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly hafa. Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao kosa mampiasa betsaka azy io.