HO AN’NY MPIVADY

1: Aza Mieritreritra ny Hisaraka

1: Aza Mieritreritra ny Hisaraka

AHOANA IZANY?

Raha samy tapa-kevitra ny hanaja ny voadim-panambadiany ny mpivady, dia tsy hieritreritra hoe fiarahana vetivety fotsiny ny fanambadiana. Samy matoky izy ireo hoe tsy hifandao mihitsy, na dia ao anatin’ny sarotra aza.

Misy mpivady te hisaraka nefa mihafy ao, satria sakanan’ny namany na ny havany na ny mpiara-miasa aminy. Tsy hieritreritra ny hisaraka mihitsy anefa izy ireo raha mifankatia sy mifanaja.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy.”—1 Korintianina 7:11.

“Tsy ho mora sosotra amin’ny vadinao ianao, raha tapa-kevitra ny hanaja an’ilay voady nataonao. Ho mora aminao ny hamela ny fahadisoany sy hiala tsiny aminy. Iezahanareo vahana foana izay olana mitranga, fa tsy ataonareo mampisaraka anareo.”—Micah. *

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Raha tsy tapa-kevitra ny hanaja ny voady nataony ny mpivady, dia mety hitady hirika hisarahana rehefa misy olana. Mety hilaza izy ireo hoe: “Tsy mifanentana mihitsy izahay e!”

“Misy vao manambady dia efa mieritreritra hoe hisaraka raha vao misy olana. Efa tsy tapa-kevitra ny hanaja ny voady nataony mihitsy izy.”—Sonia.

INONA NO AZONAO ATAO?

FANTARO IZAO

Rehefa mifamaly ianareo...

  • Manenina ve ianao nanambady ny vadinao?

  • Manonofinofy miaraka amin’olon-kafa ve ianao?

  • Miteny amin’ny vadinao ve ianao hoe handao azy na hitady olon-kafa?

Mila manao zavatra haingana ianao, raha eny ny valin-teninao amin’izy rehetra ireo na ny sasany aminy.

MIRESAHA AMIN’NY VADINAO

  • Tsy tena tapa-kevitra ny hanaja ny voady nataontsika intsony ve isika? Fa maninona?

  • Inona avy no azontsika atao mba hahatonga antsika hanaja foana ny voadim-panambadiantsika?

SOSO-KEVITRA

  • Anoraty teny mamy tsindraindray ny vadinao

  • Asio sarin’ny vadinao ao amin’ny biraonao

  • Miezaha hiantso azy amin’ny telefaonina isan’andro, rehefa any am-piasana ianao na nandeha lavitra

TORO LALAN’NY BAIBOLY: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’—Matio 19:6.

^ Novana ny anarana sasany.