Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toy ny hoe manisy tetezana mampifandray anao amin’ny zanakao ianao raha miresaka tsara aminy

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

5: Miresaha Amin’ny Zanakao

5: Miresaha Amin’ny Zanakao

AHOANA IZANY?

Miresaka tsara amin’ny zanakao ianao, raha lazainao aminy izay ao an-tsainao sy ao am-ponao, dia mba avelanao hanao hoatr’izany koa izy.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Tsy dia miteny intsony ny ankizy rehefa mihalehibe, ka mety ho sarotra aminao ny miresaka aminy. Tsy hainao intsony izay tena ao an-tsainy sy ao am-pony. Mitazam-potsiny sisa no azonao atao. Amin’iny indrindra anefa ianareo no tena mila miresaka.

INONA NO AZONAO ATAO?

Henoy izy rehefa te hiresaka. Mila vonona hihaino azy foana ianao, na amin’ny alina be aza izy vao te hiresaka.

“Indraindray ianao te hiteny aminy hoe: ‘Izao ve ianao vao te hiresaka amiko, nefa tontolon’ny andro isika niaraka teny foana?’ Zaranao aza izy mba mazoto hiresaka aminao. Tsy izany ve no tadiavintsika ray aman-dreny?”—Lisa.

“Tsy tia miari-tory aho. Nisy fotoana anefa efa dila ny misasakalina vao te hiresaka amiko ny zanako. Fa nahafinaritra aloha ny resakay tamin’ireny e!”—Robert.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.”—1 Korintianina 10:24.

Miezaha hifantoka. Hoy ny lehilahy iray: “Zavatra hafa no alehan’ny saiko indraindray, rehefa miresaka amiko ny zanako. Tonga dia hitan-dry zareo hoe tsy mihaino azy akory aho!”

Vonoy ny tele na ny fitaovana elektronika, raha ireo no mahavariana anao. Henoy tsara ny zanakao rehefa miresaka aminao, na dia hoatran’ny tsy misy dikany aza ny zavatra resahiny.

“Aza atao mihitsy izay hahatonga ny zanakao hieritreritra hoe tsy miraharaha ny fihetseham-pony ianao. Manjary tsy mamboraka n’inona n’inona aminao intsony izy, na hitady olon-kafa hiresahana.”—Miranda.

“Aza tonga dia sosotra rehefa tsy mitombina ny zavatra lazainy.”—Anthony.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.”—Lioka 8:18.

Hararaoty izay fotoana azo iresahana. Mora kokoa amin’ny ankizy ny miresaka, rehefa tsy mifanatrika izy sy ny ray aman-dreniny.

“Afaka miresaka tsara izahay rehefa miaraka mandehandeha. Tsy mifanatrika mantsy izahay amin’iny.”—Nicole.

Afaka miresaka tsara koa ny mpianakavy mandritra ny sakafo.

“Samy mitantara an’izay nitranga nandritra ny andro izahay, rehefa misakafo hariva. Resahinay daholo na ny tsara na ny ratsy. Lasa miray saina izahay, sady tsapanay hoe ny entan-jarai-mora zaka.”—Romeo.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.