HO AN’NY TANORA

10: Asehoy hoe Azo Atokisana Ianao

10: Asehoy hoe Azo Atokisana Ianao

AHOANA IZANY?

Azo atokisana ny olona iray, rehefa manara-dalàna, mitana ny teniny, ary milaza ny marina foana. Lasa matoky azy ny ray aman-dreniny sy ny namany ary ny mpampiasa azy.

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Azo inoana hoe tsy hifehifehy be anao intsony ny ray aman-dreninao raha asehonao foana hoe azo atokisana ianao.

“Asehoy hoe matotra ianao sady azo ianteherana foana, na dia tsy eo aza ny ray aman-dreninao. Hatoky anao ry zareo amin’izay.”—Sandra.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo.”—1 Petera 2:12.

INONA NO AZONAO ATAO?

Raha nahatsapa ianao hoe tsy atokisan’ny olona intsony na lasa tsy dia atokisan’ny olona, dia araho ireto dingana ireto:

Milazà ny marina. Tsy hatoky anao intsony ny olona raha mandainga ianao. Hatoky anao kosa izy ireo raha milaza ny marina ianao sady tsy manafina ny fahadisoanao.

“Mora ny milaza ny marina rehefa tsy miteraka olana ho anao izany. Raha mitsotra ny marina anefa ianao, na dia mety ho afa-baraka aza, dia vao mainka hatoky anao ny olona.”—Clément.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’—Hebreo 13:18.

Asehoy hoe azo ianteherana ianao. Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Etazonia fa olona azo ianteherana no tena tadiavin’ny ankamaroan’ny orinasa. Anisan’ireo fepetra telo takiny amin’izay olona mitady asa izany. Raha dieny izao ianao dia efa azo ianteherana, dia handray soa rehefa lehibe.

“Hitan’i Dada sy Neny aho rehefa tonga dia manao raharaha fa tsy miandry tenenina. Atokisan-dry zareo kokoa aho rehefa miezaka manao an’izany foana.”—Sarah.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Matoky aho fa hanaiky ianao, ... satria fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao.”—Filemona 21.

Manàna faharetana. Tonga dia mora hitan’ny olona hoe nihalava ianao na nihangeza. Elaela kosa vao hitany hoe nihamatotra ianao na lasa azo atokisana.

“Tokony ho azo ianteherana foana ianao, fa tsy hoe indray mandeha fotsiny. Mety ho elaela mihitsy mantsy vao hatoky anao ny ray aman-dreninao sy ny olon-kafa.”—Bruno.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mitafia ... fahari-po.”—Kolosianina 3:12.