Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?

Miady Saina Be ve Ianao?

Miady Saina Be ve Ianao?

“Samy miady saina daholo ny olona, fa ny ahy efa mila tsy ho zakako. Be dia be mantsy ny olana atrehiko fa tsy hoe olana iray ngezabe fotsiny. Efa taona maro koa aho izay no nikarakara ny vadiko. Marary mantsy izy sady efa tsy miasa tsara intsony ny sainy.”​—Niry. a

“Nilaozan’ny vadiko aho, dia izaho irery no nitaiza ny zanakay mianadahy. Tena tsy mora ilay hoe mitaiza irery. Lasa tsy an’asa koa aho, dia tsy nanam-bola hanamboarana ny fiarako. Tsy hitako izay natao. Nila tsy ho zakako ny adin-tsaiko. Fantatro fa tsy mety ny mamono tena, dia niangavy an’Andriamanitra aho hoe: ‘Aleo re aho ho faty e!’”​—Benja.

Mila tsy ho zakanao koa ve ny adin-tsainao? Raha izany, dia enga anie mba hanampy anao ity gazety ity. Horesahina ato hoe inona matetika no mahatonga ny adin-tsaina, inona no vokatr’izy io eo amintsika, ary inona no azontsika atao mba tsy hiady saina be loatra.

a Novana ireo anarana.