Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?

Inona no Mahatonga ny Adin-tsaina?

Inona no Mahatonga ny Adin-tsaina?

Hoy ny lahatsoratra navoakan’ny Hopitaly Mayo, any Etazonia: “Milaza ny ankamaroan’ny olon-dehibe fa vao mainka mihamafy ny adin-tsainy. Miovaova ny fiainana, sady tsy hay izay havoakan’ny ampitso.” Ireto ny zavatra sasany mahatonga ny olona hiady saina:

  • Fisaraham-panambadiana

  • Fahafatesan’ny olona akaiky

  • Aretina

  • Loza

  • Heloka bevava

  • Rotoroton’ny fiainana

  • Zavatra asaina atao any am-piasana na any am-pianarana

  • Fitadiavam-bola