Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TSY TE HIADY SAINA BE INTSONY VE IANAO?

Tsy Hisy Intsony ny Adin-tsaina

Tsy Hisy Intsony ny Adin-tsaina

Misy torohevitra tena tsara ao amin’ny Baiboly. Manampy antsika tsy hiady saina amin’izay zavatra tsy tokony hampanahy izy ireny. Marina aloha hoe tsy ho vitantsika ny hanala ny olana rehetra mampiady saina antsika. Ilay Mpamorona antsika anefa afaka manao an’izany, ary nanendry an’i Jesosy Kristy izy mba hanampy antsika. Efa nanao zavatra tsara be dia be i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Mbola tsara lavitra noho izany no hataony amin’ny hoavy, ary ny olona eran-tany mihitsy no handray soa.

HANASITRANA NY MARARY I JESOSY, HOATRAN’NY NATAONY TALOHA.

“Nentin’ny olona teo aminy izay rehetra narary ... ka nositraniny ireny.”​—MATIO 4:24.

HANOME TRANO SY SAKAFO HO AN’NY OLONA REHETRA I JESOSY.

“Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa.”​—ISAIA 65:21, 22.

HIADANA SY HILAMINA NY OLONA REHETRA REHEFA HITONDRA NY TANY I JESOSY.

“Amin’ny andro anjakany, dia hiroborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana. Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary hatrany amin’ny Renirano ka hatrany amin’ny faran’ny tany. ... Ary hilelaka ny vovoka ny fahavalony.”​—SALAMO 72:7-9.

HOFOANAN’I JESOSY NY TSY RARINY.

“Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—SALAMO 72:13, 14.

NA NY FAHAFATESANA SY NY FIJALIANA AZA HOFOANAN’I JESOSY.

“Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”​—APOKALYPSY 21:4.