Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

5 Tsy Hisy Intsony ve ny Fijaliana Indray Andro Any?

5 Tsy Hisy Intsony ve ny Fijaliana Indray Andro Any?

Zava-dehibe ny valin’izany

Mety hiova ny fomba fijerintsika ny fiainana sy ny fiheverantsika an’Andriamanitra, raha matoky isika hoe tsy hisy intsony ny fijaliana indray andro any.

Eritrereto izao

Betsaka ny olona te hanafoana ny fijaliana, fa voafetra ihany ny zavatra azony atao. Diniho ireto:

Na mandroso be aza ny fitsaboana, dia...

  • mbola ny aretim-po no mahafaty olona be indrindra.

  • olona an-tapitrisany, isan-taona, no matin’ny kansera.

  • “mbola be dia be ny aretina tsy voatsabo, misy aretina vaovao mipoitra, ary na ny aretina efa tsy nisy intsony aza miverina indray”, araka ny nosoratan’ny Pr. David Bloom tao amin’ny gazety iray.

Na manankarena aza ny tany sasany, dia...

  • ankizy an-tapitrisany no maty isan-taona. Mipetraka any amin’ny faritra mahantra ny ankamaroan’izy ireny.

  • olona an’arivony tapitrisa no tsy manana kabine, na mipetraka any amin’ny toerana tsy misy fanariam-pako na tatatra fandehanan’ny rano maloto.

  • olona an-jatony tapitrisa no tsy manana rano fisotro madio.

Na dia mihabetsaka aza no mahafantatra momba ny zon’olombelona, dia...

  • mbola mitohy foana ny fivarotana olona any amin’ny tany maro. Milaza ny tatitry ny Firenena Mikambana hoe tsy manasazy an’ireo manao an’izany ny firenena sasany, satria “tsy mahafantatra an’ilay olana, na tsy manana an’izay ilaina mba hanasaziana an’ireo mpanao ratsy.”

    FANAZAVANA FANAMPINY

    Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tia antsika Andriamanitra.

Te hanampy antsika izy rehefa mijaly isika na malahelo.

Tsy ataon’Andriamanitra “tsinontsinona na hamavoiny ny fahorian’ny ory. Tsy manafina ny tavany aminy izy. Nohenoiny ny ory rehefa niantso vonjy taminy.”SALAMO 22:24.

“Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”1 PETERA 5:7.

Tsy maintsy hifarana ny fijaliana.

Mampanantena ny Baiboly fa tsy maintsy ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tamin’izy namorona ny olombelona.

“[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”APOKALYPSY 21:3, 4.

Hofoanan’Andriamanitra izay rehetra mahatonga ny fijaliana.

Ny Fanjakany no hampiasainy amin’izany. Resahin’ny Baiboly hoe fitondram-panjakana tena misy izy io.

“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. ... Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra [izy io].”DANIELA 2:44.