Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Fifandraisanao Amin’ny Namanao?

Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Fifandraisanao Amin’ny Namanao?

Mora izao ny mifandray na dia mifanalavitra be aza, satria efa misy ny SMS, ny e-mail, ny vidéoconférence, ary ny tambazotran-tserasera. Tena manampy ny teknolojia raha hoatr’izany no ampiasana azy. Ireo fotsiny anefa no fomba ifandraisan’ny olona sasany amin’ny namany.

Matetika ny olona hoatr’izany no lasa...

  • tsy dia miraharaha ny fihetseham-pon’ny namany.

  • manirery sy mahatsiaro ho tsy misy dikany.

  • mifantoka be amin’ny tenany fa tsy mieritreritra ny hafa.

TSARA HO FANTATRA

MANGORAKA

Mila maka fotoana hieritreretana an’izay manjo ny olona iray isika, raha te hangoraka azy. Sarotra anefa izany rehefa be dia be ny zavatra jerentsika ao amin’ny tambazotran-tserasera sy ny hafatra mila valiana.

Rehefa be loatra ny hafatra voarainao, dia hoatran’ny hoe adidy tsy maintsy atao sisa ny mamaly azy ireny. Tianao hovaliana haingana izy rehetra, ka tsy voamarikao akory hoe misy namanao mila fanampiana.

ERITRERETO IZAO: Ahoana no hampisehoanao hoe ‘mangoraka’ ianao, rehefa mifandray amin’ny namanao amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika?—1 PETERA 3:8.

MANIRERY

Araka ny fanadihadiana iray, dia betsaka no vao mainka kivy rehefa avy nampiasa tambazotran-tserasera. Nilaza àry ny mpikaroka hoe rehefa avy mijery ny sary sy ny zavatra hafa ao amin’ireny ny olona iray, dia mety hieritreritra fa “tsy misy dikany mihitsy ny ataony.”

Mety hampitaha koa ianao rehefa mahita ny sary tsara be apetraky ny olon-kafa ao. Mety hieritreritra ianao hoe mahafinaritra be ny fiainan’ny olona rehetra fa ny anao mankaleo.

ERITRERETO IZAO: Inona no hanampy anao mba tsy hampitaha ny fiainanao amin’ny an’ny olona rehefa mampiasa tambazotran-tserasera? —GALATIANINA 6:4.

MIFANTOKA BE AMIN’NY TENANY

Voamariky ny mpampianatra iray hoe tia tena ny mpianany sasany. Izay olona afaka manao soa ho azy ihany no ataony namana. Heveriny hoe azo atao hoatran’ny telefaonina ny namana, ka rehefa ilaina vao tadiavina fa rehefa tsy ilaina dia avela any fotsiny.

ERITRERETO IZAO: Hita amin’ny zavatra apetrakao ao amin’ny tambazotran-tserasera ve hoe tia mifaninana ianao, na variana loatra amin’ny tenanao? —GALATIANINA 5:26.

INONA NO AZONAO ATAO?

MANDINIHA TENA

Raha tsy andevozin’ny teknolojia ianao fa mahafehy tsara ny fomba ampiasanao azy io, dia ho afaka hifandray amin’ny namanao foana. Ho lasa mpinamana kokoa mihitsy aza ianareo!

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Ny fitiavana ... tsy mitady izay hahasoa ny tenany.” —1 KORINTIANINA 13:4, 5.

Mariho izay tianao hampiharina, na soraty izay hevitra hafa hitanao.

  • Hiezaka hiresaka mivantana matetika kokoa (fa tsy hoe amin’ny SMS na e-mail ihany)

  • Hiezaka tsy hikitika telefaonina (na tsy hanisy feo an’ilay izy) rehefa miresaka amin’olona

  • Hampihena ny fotoana ijerena tambazotran-tserasera

  • Hiezaka hahay hihaino kokoa

  • Hiresaka amin’ny namana iray manana olana