Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MIKORONTANA IZAO TONTOLO IZAO

1 | Arovy ny Fahasalamanao

1 | Arovy ny Fahasalamanao

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA?

Mety hisy vokany isan-karazany amin’ny fahasalaman’ny olona ny krizy na ny loza.

  • Miady saina ny olona rehefa manana olana, ary mora marary raha miady saina lava.

  • Mety tsy haharaka ny fanafody sy ny mpitsabo rehefa misy loza sy valanaretina.

  • Mihena ny vola miditra rehefa misy loza, ka mila tsy ho voavidy na dia izay tena ilaina aza, toy ny sakafo na fanafody.

Tsara ho fantatra

  • Mety tsy hisaina tsara intsony ianao rehefa marary mafy sy miady saina be, ka lasa ataonao an-tsirambina ny fahasalamanao. Raha izany anefa, dia vao mainka ianao harary.

  • Mihombo ny aretina rehefa tsy tsaboina, ary mety hahafaty mihitsy aza.

  • Hahavita handray fanapahan-kevitra tsara ianao raha salama, na dia miatrika olana aza.

  • Misy azonao atao mba hiarovana ny fahasalamanao, na mahantra ianao na manankarena.

Ny azonao atao

Mahatsinjo loza ny olona hendry, ary manao zavatra mba hisorohana an’izany, raha mbola azo atao. Hoatr’izany koa amin’ny resaka fahasalamana. Matetika no tsy dia handairan’ny aretina isika na tsy harary mafy, raha mitandrina fahadiovana. Aleo mantsy misoroka toy izay mitsabo.

“Ataonay madio foana ny vatanay sy ny tranonay. Tsy dia lany vola amin’ny fitsaboana izahay amin’izay.”​—Andreas. *

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity gazety ity.