Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teny Fampidirana

Teny Fampidirana

BOKY misy fitantarana marina ity. Nalaina avy ao amin’ny Baiboly, ilay boky malaza indrindra eo amin’izao tontolo izao izany. Omeny anareo ny tantaran’izao tontolo izao hatramin’ny fotoana nanombohan’Andriamanitra namorona ka hatramin’izao androntsika izao. Miresaka ny amin’izay ampanantenain’Andriamanitra hatao amin’ny hoavy koa aza izy ireo.

Ity boky ity dia manome anareo hevitra ny amin’izay atao hoe Baiboly, ary miresaka olona ao amin’ny Baiboly sy ny zavatra nataon’ireo. Mampiseho koa izy ny fanantenana lehibe, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany nomen’Andriamanitra ny olona.

Misy fitantarana 116 ao amin’ny boky. Natambatra ho fizarana valo ireny. Ny pejy iray eo amin’ny fanombohan’ny fizarana tsirairay avy dia miresaka fohy izay ho hita ao amin’ilay fizarana. Milahatra araka ny fisehoan-javatra eo amin’ny tantara ireo fitantarana. Manampy anareo izany hahafantatra ny fotoana nitrangan-javatra teo amin’ny tantara, rehefa ampifandraisina amin’ny fisehoan-javatra hafa.

Amin’ny fiteny tsotra no anaovana ireo fitantarana. Maro aminareo ankizy tanora no ho afaka hamaky azy ireny samirery. Ho tsikaritrareo ray aman-dreny fa ireo zanakareo kelikely kokoa dia ho faly raha vakina aminy miverimberina foana ireny fitantarana ireny. Ho hitanareo fa mirakitra zava-mahaliana betsaka ho an’ny tanora sy ny antitra ihany koa ity boky ity.

Ny filazana toko sy andininy ao amin’ny Baiboly dia omena isaky ny mifarana ny fitantarana tsirairay avy. Ampirisihina ianareo hamaky ireny tapany ao amin’ny Baiboly ireny, izay iorenan’ireo fitantarana. Isaky ny avy mamaky fitantarana iray ianao, dia jereo ny fanontaniana mifandray aminy, ao aorian’ny Fitantarana 116, ary miezaha mitadidy ny valiny.