Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 2

Zaridaina Iray Tsara Tarehy

Zaridaina Iray Tsara Tarehy

JEREO ange ny tany eto e! Endrey ny hatsaran’ny zavatra rehetra! Jereo ny ahi-maitso sy ny hazo, ny voninkazo ary ny biby rehetra. Voavakao ve ny elefanta sy ny liona?

Ahoana no nahatongavan’io zaridaina tsara tarehy io? Aoka hojerentsika ny fomba nanomanan’Andriamanitra ny tany ho antsika.

Voalohany, dia narakotr’Andriamanitra ny tany ny ahi-maitso. Ary nanao ny zavamaniry madinika sy ny kirihitr’ala ary ny hazo karazany rehetra izy. Mampitombo ny hatsaran-tarehin’ny tany ireo zavatra maniry ireo. Nefa mitondra soa hafa ho antsika koa izy ireny. Maro aminy no manome koa ho antsika sakafo izay tsara tsiro tokoa.

Tatỳ aoriana dia nasian’Andriamanitra hazandrano nilomano ny rano ary nampanidininy teny amin’ny lanitra ny vorona. Nanao ny alika sy ny saka sy ny soavaly izy, ary ny biby vaventy sy ny biby madinika. Biby inona moa no velona eo akaikin’ny tranonao? Tsy tokony ho faly ve isika noho ny nanaovan’Andriamanitra ireny zavatra ireny ho antsika?

Farany dia namboarin’Andriamanitra ho toerana hafakely tokoa ny faritra iray amin’ny tany. Nantsoiny hoe zaridainan’i Edena izany. Tena tonga lafatra izy io. Tsara tarehy avokoa ny momba azy. Ary nirin’Andriamanitra ny tany manontolo ho tonga sahala amin’io zaridaina tsara tarehy nataony io.

Nefa jereo indray ange ny sarin’ity zaridaina ity e! Fantatrao ve hoe zavatra inona no hitan’Andriamanitra fa banga eto? Andeha hojerentsika.