Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 3

Ny Lehilahy sy ny Vehivavy Voalohany

Ny Lehilahy sy ny Vehivavy Voalohany

INONA no maha hafa an’ity sary ity? Ny olona hita eo. Ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany ireo. Iza no nanao azy? Andriamanitra. Fantatrao ve ny anarany? Jehovah. Ary ralehilahy sy ravehivavy dia nantsoina hoe Adama sy Eva.

Toy izao no fomba nanaovan’i Jehovah Andriamanitra an’i Adama. Naka vovo-tany izy ary namboatra vatana iray tanteraka, dia tenan-dehilahy. Nampidirany fofonaina ny vavorony ary dia velona i Adama.

Nanana asa hampanaovina an’i Adama i Jehovah Andriamanitra. Nilaza tamin’i Adama izy mba hanome anarana ny karazam-biby samihafa rehetra. Mety ho efa nandinika an’ireo biby hatramin’ny ela i Adama ka afaka nifidy ny anarana tsara indrindra ho azy rehetra. Teo am-panomezana anarana ny biby i Adama dia nanomboka nahita zavatra. Fantatrao ve hoe inona izany?

Nanana vady avokoa ny biby rehetra. Nisy elefanta dada sy elefanta neny, ary nisy liona dada sy liona neny. I Adama anefa tsy mba nanana ny vadiny. Nataon’i Jehovah àry izay hahatongavan’i Adama ao amin’ny torimaso lalina, ary naka taolan-tehezana iray avy aminy izy, ka nanaovany vehivavy ho an’i Adama izany, ary tonga vadiny.

Endrey ny fahasambaran’i Adama izao! Ary hevero ny fahasambaran’i Eva napetraka mba hiaina ao anatin’ny zaridaina tsara tarehy toy izany! Afaka hanana zanaka izy ireo izao ary hiara-miaina ao anatin’ny fahasambarana.

Nirin’i Jehovah ho velona mandrakizay i Adama sy Eva. Niriny ny hanamboaran’izy ireo ny tany manontolo ho tsara tarehy tahaka ny zaridainan’i Edena. Tsy maintsy ho nahatsiaro sambatra i Adama sy Eva rehefa nieritreritra ny fanaovana izany! Mba ho nirinao ve ny handray anjara amin’ny fanaovana ny tany ho zaridaina tsara tarehy iray? Tsy naharitra anefa ny fahasambaran’i Adama sy Eva. Andeha hojerentsika ny antony.