Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 4

Nahoana no Namoy ny Fonenany Izy Ireo

Nahoana no Namoy ny Fonenany Izy Ireo

JEREO izay mitranga izao. Roahina avy ao amin’ny zaridaina tsara tarehin’i Edena i Adama sy Eva. Fantatrao ve ny antony?

Satria nanao zavatra ratsy dia ratsy izy ireo, ka dia nosazin’i Jehovah. Fantatrao ve ny zavatra ratsy nataon’i Adama sy Eva?

Nanao zavatra tsy nasain’Andriamanitra natao izy. Nilaza taminy Andriamanitra fa afaka mihinana avy amin’ny hazo ao amin’ny zaridaina izy ireo. Fa avy amin’ny hazo iray no tsy azony nihinanana, raha tsy izany dia ho faty izy. An’Andriamanitra manokana izany hazo izany, ary fantatsika fa ratsy ny maka zavatra izay fananan’ny hafa, sa tsy izany? Inona àry no nitranga?

Indray andro raha irery tao an-jaridaina i Eva, dia nisy bibilava niresaka taminy. Alao sary an-tsaina izay niseho! Nilaza tamin’i Eva izy io mba hihinana avy amin’ilay hazo izay nandraran’Andriamanitra azy ireo tsy hihinanana. Tsy nomen’Andriamanitra fahafahana hiteny akory ny bibilava rehefa noforonina. Milaza àry izany fa olon-kafa no nampiteny an’ilay bibilava. Iza moa izany?

Tsy i Adama akory io. Izany dia tsy maintsy ho ny iray tamin’ireo olona izay noforonin’i Jehovah ela be talohan’ny nanaovany ny tany. Anjely ireny olona ireny, ary tsy afaka mahita azy isika. Nanjary niavonavona be io anjely iray io. Nanomboka nieritreritra izy fa tokony ho tonga mpanapaka sahala amin’Andriamanitra. Ary niriny hankatò azy ny olona fa tsy hankatò an’i Jehovah. Izy no anjely izay nampiteny an’ilay bibilava.

Afaka namitaka an’i Eva io anjely io. Rehefa nilaza taminy io fa hitovy amin’Andriamanitra izy raha mihinana ilay voankazo, dia nino izany i Eva. Nihinana àry izy, ary nanao toy izany koa i Adama. Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva, ka izany no antony namoizany ny zaridaina tsara tarehy izay fonenany.

Nefa indray andro any dia hataon’Andriamanitra izay hahatonga ny tany manontolo ho tsara tarehy tahaka ny zaridainan’i Edena. Any aoriana dia hianarantsika ny fomba azonao andraisana anjara amin’ny fanatanterahana izany. Fa izao dia aoka hojerentsika izay nitranga tamin’i Adama sy Eva.