Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 6

Zanakalahy Tsara Iray sy Zanakalahy Ratsy Iray

Zanakalahy Tsara Iray sy Zanakalahy Ratsy Iray

JEREO i Kaina sy Abela izao. Lasa olon-dehibe izy ireo. Tonga mpamboly i Kaina. Mamboly voan-javatra sy voankazo ary anana izy.

Tonga mpiandry ondry i Abela. Mahafinaritra azy ny mikarakara zanak’ondry madinika. Mitombo ho ondry vaventy izy ireny, ka tsy ela i Abela dia nanana andian’ondry iray manontolo handrasana.

Indray andro i Kaina sy Abela dia nitondra fanomezana ho an’Andriamanitra. Sakafo sasany izay namboleny no nentin’i Kaina. Ary ny tsara indrindra tamin’ny ondriny no nentin’i Abela. Nankasitrahan’i Jehovah i Abela sy ny fanomezany. Fa tsy nankasitrahany kosa i Kaina sy ny fanatiny. Fantatrao ve ny antony?

Tsy hoe satria tsara kokoa noho ny an’i Kaina ny fanomezan’i Abela. Ny antony dia noho ny naha lehilahy tsara an’i Abela. Tia an’i Jehovah sy ny rahalahiny izy. Ratsy kosa anefa i Kaina; tsy tia ny rahalahiny izy.

Nilazan’Andriamanitra àry Kaina fa tokony hanova ny lalany izy. Nefa tsy nety nihaino i Kaina. Tezitra mafy izy satria tian’Andriamanitra kokoa i Abela. Ka dia niteny tamin’i Abela i Kaina hoe: ‘Andeha isika ho any an-tsaha.’ Rehefa irery izy ireo tany, dia nokapohin’i Kaina i Abela rahalahiny. Nikapoka mafy aoka izany izy ka nahafaty azy. Moa ve tsy zavatra mahatsiravina izany nataon’i Kaina izany?

Na dia maty aza i Abela dia mbola tsaroan’Andriamanitra ihany. Tsara i Abela ary tsy hadinoin’i Jehovah na oviana na oviana ny olona iray toy izany. Indray andro any àry dia haverin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fiainana i Abela. Ho afaka hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany izy amin’izay. Tsy hahafinaritra ve ny hahafantatra olona sahala amin’i Abela?

Nefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona sahala amin’i Kaina. Koa taorian’ny namonoan’i Kaina ny rahalahiny, dia nosazin’Andriamanitra izy tamin’ny fandefasana azy hirenireny lavitra ny sisa amin’ny mpianakaviny. Rehefa nandeha nonina tao amin’ny faritra iray amin’ny tany i Kaina, dia nentiny niaraka taminy ny iray tamin’ireo anabaviny ary tonga vadiny izy io.

Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nanan-janaka i Kaina sy ny vadiny. Nifanambady koa ny zanakalahy sy ny zanakavavy hafan’i Adama sy Eva, ary nanan-janaka koa izy ireny. Tsy ela dia nisy olona maro teto an-tany. Andeha hofantarintsika ny momba ny sasany aminy.