Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 7

Lehilahy Iray Nahery Fo

Lehilahy Iray Nahery Fo

REHEFA nanomboka nitombo ny isan’ny olona teto an-tany, dia nanao zavatra ratsy sahala amin’i Kaina ny ankamaroany. Niavaka anefa ny lehilahy iray. Io lehilahy antsoina hoe Enoka io izany. Lehilahy nahery fo i Enoka. Nanao zavatra ratsy ny olona nanodidina azy nefa i Enoka dia nanohy hatrany ny fanompoana an’Andriamanitra.

Fantatrao ve hoe nahoana no nanao zava-dratsy maro be ireo olona tamin’izany fotoana izany? Hevero ange e! Iza no nahatonga an’i Adama sy Eva tsy hankatò an’Andriamanitra sy hihinana ny voankazo izay nolazain’Andriamanitra fa tsy tokony hohaniny? Anjely ratsy iray. Antsoin’ny Baiboly hoe Satana izy io. Ary miezaka manao izay haharatsy ny olona rehetra izy.

Indray andro i Enoka dia nasain’i Jehovah Andriamanitra nanambara tamin’ny olona zavatra tsy tian’izy ireo hohenoina. Izao izany: ‘Handringana ny olona ratsy rehetra Andriamanitra indray andro any.’ Azo antoka fa tezitra tokoa ny olona nahare izany. Nety ho nitady hamono an’i Enoka mihitsy aza izy. Nilain’i Enoka àry ny ho be herim-po tokoa mba hanambara amin’ny olona ny amin’izay kasain’Andriamanitra hatao.

Tsy navelan’Andriamanitra ho velona naharitra ela teo amin’ireo olona ratsy ireo i Enoka. Velona 365 taona monja izy. Nahoana moa no lazaintsika hoe “365 taona monja”? Satria ny olona tamin’izany fotoana izany dia natanjaka kokoa noho ny amin’izao fotoana izao ary ela velona kokoa. Jereo fa i Metosela zanak’i Enoka dia velona 969 taona!

Taorian’ny nahafatesan’i Enoka, dia mbola niharatsy hatrany hatrany ny olona. Milaza ny Baiboly fa ‘izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro’, ary ‘nanjary feno herisetra ny tany.’

Fantatrao ve ny iray amin’ireo antony nisian’ny fikorontanana be erỳ teto an-tany tamin’izany fotoana izany? Izany dia satria nanana fomba vaovao nitarihana ny olona hanao zava-dratsy i Satana. Hianarantsika manaraka ny momba izany.