Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 8

Olona Goavana Teto An-tany

Olona Goavana Teto An-tany

RAHA misy olona manatona anao ary avo sahala amin’ny valin-drihana ao an-tranonao, inona no hoeritreretinao? Ho olona goavana izany. Nisy fotoana nisian’ny olona goavana tokoa tetỳ an-tany. Asehon’ny Baiboly fa anjely avy any an-danitra ny rain’izy ireo. Nefa ahoana no nahatonga izany?

Tsarovy fa niezaka nitondra fikorontanana i Satana, ilay anjely ratsy. Nanandrana mihitsy aza izy nitarika ireo anjelin’Andriamanitra mba ho ratsy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nihaino an’i Satana ny sasany tamin’ireo anjely ireo. Nitsahatra tsy nanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy ireny tany an-danitra izy. Dia nidina tetỳ an-tany izy ary nanao vatan’olombelona ho azy ireo. Fantatrao ve hoe nahoana?

Satria, araka ny lazain’ny Baiboly, ireny zanak’Andriamanitra ireny dia nahatazana ny vehivavy tsara tarehy tetỳ an-tany ary naniry hiara-mitoetra aminy. Tonga teto an-tany àry izy ary nanambady an’ireo vehivavy ireo. Lazain’ny Baiboly fa ratsy izany, satria nataon’Andriamanitra hiaina any an-danitra ny anjely.

Rehefa niteraka ireo anjely sy ny vadiny, dia niavaka ny zanak’izy ireo. Teo am-boalohany dia nety ho toa tsy niavaka be loatra izy ireo. Nefa nihalehibe hatrany hatrany izy, sady nihanatanjaka, ambara-pahatongany ho olona goavana.

Ratsy ireo olona goavana ireo. Ary satria lehibe sy natanjaka aoka izany izy, dia nanimba ny olona. Niezaka nanery ny olona rehetra ho tonga ratsy sahala amin’ny tenany izy.

Efa maty i Enoka, nefa nisy lehilahy tsara iray tamin’izay fotoana izay. Noa no anaran’io lehilahy io. Nanao mandrakariva izay nirin’Andriamanitra hataony izy.

Indray andro dia nambaran’Andriamanitra tamin’i Noa fa tonga ny fotoana handringanany ny olona ratsy rehetra. Nefa hamonjy an’i Noa sy ny fianakaviany ary maro amin’ny biby, Andriamanitra. Aoka hojerentsika ny fomba nanaovan’Andriamanitra izany.