Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 9

Nanamboatra Sambofiara Iray i Noa

Nanamboatra Sambofiara Iray i Noa

NANANA vady iray sy zanakalahy telo i Noa. Sema sy Hama ary Jafeta no anaran’ny zanany lahy. Nanana vady iray koa ny tsirairay tamin’ireo zanany lahy. Noho izany, dia nisy olona valo tao amin’ny fianakavian’i Noa.

Nampanaovin’Andriamanitra zavatra iray hafahafa izao i Noa. Nasain’Andriamanitra nanamboatra sambofiara lehibe iray izy. Tahaka ny sambo ny haben’io fiara io, nefa dia sahala amin’ny vata lehibe sy lava iray no fahitana azy. ‘Ataovy efitra telo mifanongoa izany’, hoy Andriamanitra, ‘ary asio efitrefitra ao anatiny.’ Ho an’i Noa sy ny fianakaviany ary ny biby ireo efitrefitra, ary koa ho an’ny sakafo izay hilain’izy rehetra ireo.

Nasain’Andriamanitra nohamafisin’i Noa koa ny fiara mba tsy hahafahan’ny rano hiditra ao anatiny. Hoy Andriamanitra: ‘Hahatonga Safodrano lehibe aho ary handrava an’izao rehetra izao manontolo. Ho faty izay olona rehetra tsy ao anatin’ny fiara.’

Nankatò an’i Jehovah i Noa sy ny zanany lahy ary nanomboka nanorina. Nefa dia nihomehy fotsiny ny olon-kafa. Mbola nanohy nanao ratsy izy ireo. Tsy nisy nino an’i Noa izy ireo rehefa nilazany izay zavatra hataon’Andriamanitra.

Nila fotoana ela ny fanamboarana ny fiara satria lehibe aoka izany izy io. Farany, rehefa afaka taona maro, dia vita izany. Izao àry Andriamanitra dia nilaza tamin’i Noa mba hitondra ny biby ao anatin’ny fiara. Roa avy amin’ny karazam-biby sasany no nasain’Andriamanitra nampidirina, ary lahy sy vavy. Nefa fito kosa no nasain’Andriamanitra nampidirin’i Noa avy amin’ny karazam-biby hafa. Nilazan’Andriamanitra koa i Noa mba hampiditra ny karazam-borona samihafa rehetra. Nataon’i Noa àry izay nolazain’Andriamanitra.

Avy eo, dia mba niditra koa tao anatin’ny fiara i Noa sy ny fianakaviany. Ary dia narindrin’i Jehovah ny varavarana. Tao anatiny dia niandry i Noa sy ny fianakaviany. Alao sary an-tsaina ange ny tenanao ao anatin’ny fiara miaraka amin’izy ireo e, eo am-piandrasana. Hisy marina tokoa ve ny Safodrano iray, araka ny filazan’Andriamanitra?