Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 2

Avy eo Amin’ny Safodrano Mankeo Amin’ny Fanafahana avy Tany Ejipta

Avy eo Amin’ny Safodrano Mankeo Amin’ny Fanafahana avy Tany Ejipta

Olona valo ihany no tafita velona tamin’ny Safodrano, nefa nitombo ho an’arivony maro izy ireo rehefa nandeha ny fotoana. Rehefa afaka 352 taona taorian’ny Safodrano dia teraka i Abrahama. Fantatsika fa nihazona ny fampanantenany Andriamanitra tamin’ny fanomezana an’i Abrahama zanakalahy iray nantsoina hoe Isaka. Taorian’izany dia i Jakoba no nofidin’Andriamanitra avy amin’ireo zanak’i Isaka roa lahy.

Nanana fianakaviana lehibe voaforon’ny zanakalahy 12 sy zanakavavy sasantsasany i Jakoba. Nankahalain’ny zanak’i Jakoba folo lahy i Josefa zandrilahin’izy ireo ka namidiny ho andevo tany Ejipta. Tatỳ aoriana dia tonga mpanapaka nalaza tany Ejipta i Josefa. Rehefa nitranga ny mosary nahatsiravina iray, dia notsapain’i Josefa ireo rahalahiny mba hahitany raha niova ny fon’izy ireo. Farany dia nifindra nankany Ejipta ny fianakaviana manontolon’i Jakoba, dia ny Israelita. Sivifolo sy roanjato taona taorian’ny nahaterahan’i Abrahama no nitrangan’izany.

Nandritra ireo 215 taona nanaraka dia nipetraka tany Ejipta ny Israelita. Taorian’ny nahafatesan’i Josefa, dia nanjary lasa andevo izy ireo tany. Rehefa nandeha ny fotoana dia teraka i Mosesy ary nampiasain’Andriamanitra izy mba hanafaka ny Israelita avy any Ejipta. Amin’ny fitambarany, dia tantara naharitra 857 taona no voafaoka ao anatin’ny Fizarana FAHAROA.