Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 12

Nanorina Tilikambo Lehibe Iray ny Olona

Nanorina Tilikambo Lehibe Iray ny Olona

NANDALO ny taona maro. Nanan-janaka maro ireo zanakalahin’i Noa. Nihalehibe koa ireo zanany ary nanan-janaka koa. Vetivety dia nisy olona maro be teto an-tany.

I Nimroda, zafiafin’i Noa, no iray tamin’ireny olona ireny. Lehilahy ratsy izay nihaza ary namono biby sy olona izy io. Nanao ny tenany ho mpanjaka koa i Nimroda, ary nanapaka teo amin’ny olona. Tsy tian’Andriamanitra i Nimroda.

Fiteny iray no nampiasain’ny olona rehetra tamin’izany fotoana izany. Nirin’i Nimroda ny hihazona azy rehetra miaraka mba hahafahany hanapaka eo aminy. Fantatrao àry ve ny nataony? Nilazany ny olona mba hanorina tanàna iray sy tilikambo lehibe iray ao anatiny. Jereo izy ireo manamboatra biriky eo amin’ny sary.

Tsy nankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra io fanorenana io. Nirin’Andriamanitra ny hifindran’ny olona toerana sy ny hipetrahany manerana ny tany rehetra. Nefa hoy ny olona: ‘Andeha isika hanorina tanàna iray sy tilikambo iray avo be ka ny tampony hahatakatra ny lanitra. Dia hahazo laza isika!’ Naniry voninahitra ho an’ny tenany ny olona, fa tsy ho an’Andriamanitra.

Koa dia nataon’Andriamanitra izay hampitsaharan’ny olona ny fanorenana ilay tilikambo. Fantatrao ve ny fomba nanaovany izany? Tamin’ny fampitenenana tampoka ny olona, fiteny samihafa, fa tsy iray monja. Tsy nifankahazo resaka intsony ireo mpanorina. Izany no antony niantsoana ny tanànan’izy ireo hoe Babela, na Babylona, izay ny heviny dia hoe “Fikorokoroana.”

Nanomboka nifindra toerana avy ao Babela izao ny olona. Ireo antokon’olona nampiasa fiteny mitovy dia niara-nipetraka tany amin’ny faritra hafa teto an-tany.