Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 14

Notsapain’Andriamanitra ny Finoan’i Abrahama

Notsapain’Andriamanitra ny Finoan’i Abrahama

HITANAO ve izay ataon’i Abrahama eto? Mitana antsy izy ary toa handeha hamono an’i Isaka zanany lahy. Nahoana moa izy no vonona hanao izany? Andeha aloha hojerentsika ny fomba nahazoan’i Abrahama sy Saraha ny zanakalahin’izy ireo.

Tsarovy fa nampanantena ny hananan’izy ireo zanakalahy Andriamanitra. Nefa toa tsy ho azo notanterahina izany, satria efa antitra loatra i Abrahama sy Saraha. Nino anefa i Abrahama fa afaka manao izay toa tsy azo tanterahina Andriamanitra. Inona àry no nitranga?

Rehefa avy nanome ny fampanantenany Andriamanitra, dia lasa ny herintaona feno. Koa rehefa 100 taona i Abrahama ary 90 taona i Saraha, dia niteraka zazalahy kely nantsoina hoe Isaka izy ireo. Nitana ny fampanantenany Andriamanitra!

Rehefa nihalehibe anefa i Isaka, dia notsapain’Andriamanitra ny finoan’i Abrahama. Niantso izy hoe: ‘Ry Abrahama ô!’ Ary namaly i Abrahama hoe: ‘Inty aho.’ Dia hoy indray Andriamanitra: ‘Ento ny zanakao, ny lahitokanao, dia i Isaka, ka mankanesa any amin’ny tendrombohitra iray izay hasehoko anao. Rehefa tonga any, dia vonoy ny zanakao lahy ary atero ho toy ny fanatitra.’

Nampalahelo an’i Abrahama ireo teny ireo, satria tian’i Abrahama loatra ny zanany lahy. Ary tsarovy ny fampanantenan’Andriamanitra fa hitoetra ao amin’ny tany Kanana ireo zanak’i Abrahama. Nefa ahoana no hetezan’izany raha ohatra ka maty i Isaka? Tsy nazava tamin’i Abrahama izany, nefa dia nankatò an’Andriamanitra ihany izy.

Rehefa tonga teo amin’ilay tendrombohitra i Abrahama dia namatotra an’i Isaka ary nametraka azy teo ambonin’ny alitara izay naoriny. Dia nandray ny antsy izy mba hamono ny zanany lahy, nefa tamin’izay indrindra no niantso ny anjelin’Andriamanitra nanao hoe: ‘Ry Abrahama, ry Abrahama ô!’ Dia namaly i Abrahama hoe: ‘Inty aho.’

‘Aza mandratra ny zazalahy na manao na inona na inona aminy’, hoy Andriamanitra. ‘Fantatro izao fa manana finoana ahy ianao, satria tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.’

Endrey ny haben’ny finoan’i Abrahama an’Andriamanitra! Nino izy fa tsy nisy zavatra tsy hain’i Jehovah, ary afaka manangana an’i Isaka amin’ny maty mihitsy aza i Jehovah. Tsy tena sitrapon’Andriamanitra anefa ny hamonoan’i Abrahama an’i Isaka. Nataon’Andriamanitra àry izay hisian’ny ondry iray voasaringotry ny kirihitrala teo akaiky teo, ary nilaza tamin’i Abrahama izy hamono izany ho fanatitra ho solon’ny zanany lahy.