Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 15

Niherika ny Vadin’i Lota

Niherika ny Vadin’i Lota

NIARA-NONINA tamin’i Abrahama tao amin’ny tany Kanana i Lota sy ny fianakaviany. Indray andro dia hoy i Abrahama tamin’i Lota: ‘Tsy ampy ny tany eto ho an’ny bibintsika rehetra. Raha sitrakao, aoka hisaraka isika. Raha mandeha arỳ ianao, izaho kosa handeha atỳ.’

Dia nitazana ny tany rehetra i Lota. Nahita faritra iray tena tsara izy, dia tany nisy rano sy ahi-maitso betsaka ho an’ny bibiny. Ny distrikan’i Jordana izany. Nafindran’i Lota tany àry ny fianakaviany sy ny bibiny. Farany dia nanorim-ponenana tao amin’ny tanànan’i Sodoma izy ireo.

Tena ratsy ny olona tao Sodoma. Nampalahelo an’i Lota izany, satria lehilahy tsara izy. Nampalahelo an’Andriamanitra koa izany. Farany dia naniraka anjely roa Andriamanitra mba hampiomana an’i Lota fa handrava an’i Sodoma sy Gomora tanàna teo akaikiny izy, noho ny faharatsian’izy ireo.

Hoy ireo anjely tamin’i Lota: ‘Faingàna! Ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy ary mialà eto!’ Somary tsy rototra i Lota sy ny fianakaviany teo am-pandehanana ka dia notantanan’ireo anjely ary notarihiny hivoaka ny tanàna. Dia hoy ny anankiray tamin’ireo anjely: ‘Mandosira hamonjy ny ainareo! Aza miherika. Mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianareo.’

Nankatò i Lota sy ny zanany vavy ary nandositra niala tao Sodoma. Tsy nijanona izy ireo na dia kely akory aza, ary tsy niherika. Tsy nankatò kosa anefa ny vadin’i Lota ary niherika. Ka dia tonga vongan-tsira nitsangana izy. Hitanao ve izy eo amin’ny sary?

Afaka maka fianarana tsara avy amin’izany isika. Mampiseho amintsika izany fa mamonjy an’ireo izay mankatò azy Andriamanitra, fa ireo izay tsy mankatò azy kosa dia hamoy ny ainy.