Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 16

Nahazo Vady Tsara i Isaka

Nahazo Vady Tsara i Isaka

FANTATRAO ve hoe iza io vehivavy amin’ny sary io? Rebeka no anarany. Ary ny lehilahy izay hatoniny dia i Isaka. Ho tonga vadiny izy izao. Ahoana no nitrangan’izany?

Naniry hahazo vady tsara ho an’ny zanakalahiny i Abrahama rain’i Isaka. Tsy tiany hanambady ny iray amin’ireo vehivavy tao Kanana i Isaka, satria nivavaka tamin’ny andriamani-tsy izy ireo olona ireo. Nantsoin’i Abrahama àry ny mpanompony ary nilazany hoe: ‘Iriko ny handehananao any amin’ny havako any Harana sy hitadiavanao vady ho an’i Isaka zanako.’

Avy hatrany ilay mpanompon’i Abrahama dia naka rameva folo ary nanao ilay dia lavitra. Rehefa tonga teo akaikin’ny toerana nonenan’ny havan’i Abrahama izy, dia nijanona teo amin’ny fantsakana. Efa harivariva ny andro tamin’izay, fotoana fandehanan’ireo vehivavy ao an-tanàna naka rano tao amin’ny fantsakana. Dia nivavaka tamin’i Jehovah ilay mpanompon’i Abrahama hoe: ‘Enga anie ka ny vehivavy izay maka rano ho ahy sy ho an’ny rameva no ho ilay voafidinao mba ho vadin’i Isaka.’

Tsy ela dia tonga i Rebeka mba haka rano. Rehefa nangataka taminy rano mba hosotroina ilay mpanompo, dia nomen-dravehivavy izany izy. Dia lasa izy avy eo naka rano ampy ho an’ny rameva rehetra nangetaheta. Asa mafy izany satria mahery misotro rano be ny rameva.

Rehefa vitan-dRebeka izany, dia nanontanian’ilay mpanompon’i Abrahama azy ny anaran-drainy. Nanontany koa izy raha ho afaka handany ny alina ao an-tranon’izy ireo. Hoy ravehivavy: ‘I Betoela no raiko, ary misy toerana ho anao ato aminay.’ Fantatr’ilay mpanompon’i Abrahama fa zanak’i Nahora rahalahin’i Abrahama i Betoela. Noho izany dia niankohoka tamin’ny tany izy ary nisaotra an’i Jehovah noho ny fitarihany azy ho eo amin’ny havan’i Abrahama.

Iny alina iny dia nolazain’ilay mpanompon’i Abrahama tamin’i Betoela sy Labana anadahin-dRebeka ny antony nahatongavany. Neken’izy roa lahy ny handehanan-dRebeka mba hanambady an’i Isaka. Inona no nolazain-dRebeka rehefa nanontaniana izy? Hoy izy: ‘Eny’, naniry handeha izy. Koa ny andro nanaraka ihany dia nitaingina an’ireo rameva izy ireo ary nanomboka ny dia lava niverina tany Kanana.

Efa hariva ny andro raha tonga izy ireo. Nahita lehilahy iray nitsangantsangana teny an-tsaha i Rebeka. I Isaka izany. Faly izy nahita an-dRebeka. Telo taona lasa izao no nahafatesan’i Saraha reniny, ary mbola nalahelo ny amin’izany izy. Nefa nanjary tia aoka izany an-dRebeka i Isaka, ka tonga sambatra indray.