Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 18

Nankany Harana i Jakoba

Nankany Harana i Jakoba

FANTATRAO ve ireo lehilahy iresahan’i Jakoba ireo? Rehefa avy nandeha andro maro i Jakoba dia nahita azy ireo teo akaikin’ny lavaka fantsakana iray. Nikarakara ny ondriny izy ireo. Dia nanontany i Jakoba hoe: ‘Avy aiza moa ianareo?’

‘Avy any Harana’, hoy izy ireo.

‘Mba fantatrareo ve i Labana?’, hoy i Jakoba.

‘Eny’, hoy ny navalin’ireo. ‘Ary, indro avy i Rahely zanany vavy mitondra ny andian’ondriny.’ Tazanao ve i Rahely eto tamy eny lavitra eny?

Rehefa hitan’i Jakoba i Rahely niaraka tamin’ny ondrin’i Labana anadahin-dreniny, dia lasa izy nanakodia ny vato hiala amin’ny lavaka fantsakana mba hahafahan’ireo ondry hisotro rano. Dia nanoroka an-dRahely i Jakoba ary nanambara taminy hoe iza izy. Faly aoka izany i Rahely ka nankany an-trano mba hanambara izany tamin’i Labana rainy.

Faly tokoa i Labana nahita an’i Jakoba nitoetra teo aminy. Ary rehefa nangataka hanambady an-dRahely i Jakoba, dia faly i Labana. Kanefa dia nangataka an’i Jakoba izy mba hiasa ao amin’ny taniny fito taona mba hahazoana an-dRahely. Satria tia loatra an-dRahely i Jakoba, dia nanao izany izy. Nefa rehefa tonga ny fotoana hanambadiany, fantatrao ve izay nitranga?

I Lea vavimatoany no nomen’i Labana an’i Jakoba, fa tsy i Rahely. Rehefa nanaiky hiasa ho an’i Labana fito taona fanampiny i Jakoba, dia nomeny azy ho vadiny koa i Rahely. Tamin’izany fotoana izany dia navelan’Andriamanitra hanana vady mihoatra ny iray ny lehilahy. Fa amin’izao fotoana izao kosa, araka ny asehon’ny Baiboly, dia tokony ho iray ihany ny vadin’ny lehilahy iray.