Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 19

Nanana Fianakaviambe Iray i Jakoba

Nanana Fianakaviambe Iray i Jakoba

MBA jereo kely ity fianakaviana maro anaka ity. Ny zanakalahin’i Jakoba 12 ireo. Ary nanana zanakavavy koa izy. Mba misy fantatrao ve ny anaran’ireo ankizy? Andeha hianarantsika ny sasany amin’izany.

Niteraka an-dRobena, Simeona, Levy ary Joda i Lea. Rehefa nahita i Rahely fa tsy mba nanan-janaka, dia nalahelo mafy izy. Koa dia nomeny an’i Jakoba i Bila mpanompovaviny, ary niteraka zazalahy roa nantsoina hoe Dana sy Naftaly i Bila. Dia mba nomen’i Lea an’i Jakoba koa i Zilpa mpanompovaviny, ary niteraka an’i Gada sy Asera i Zilpa. Farany dia mbola nanan-janaka roa lahy i Lea, dia i Isakara sy Zebolona.

Tamin’ny farany dia afaka nanan-janaka i Rahely. Nantsoiny hoe Josefa izy io. Aoriana kely dia hahafantatra bebe kokoa momba an’i Josefa isika, satria tonga olona nanan-daza be izy. Ireo no zanakalahin’i Jakoba 11 izay naterany fony izy niara-nipetraka tamin’i Labana rain-dRahely.

Nanana zanakavavy vitsivitsy koa i Jakoba, nefa ny iray amin’izy ireny ihany no tononin’ny Baiboly anarana. Dina no anaran’izy io.

Dia tonga ny fotoana handaozan’i Jakoba an’i Labana sy hiverenany any Kanana. Koa nangoniny daholo ny fianakaviambeny sy ny andian’ondry sy ny osy ary omby maro be, ary nanomboka nanao ny dia lavitra izy.

Rehefa tonga tao Kanana fotoana kely i Jakoba sy ny fianakaviambeny, dia niteraka zazalahy hafa iray i Rahely. Nitranga izany raha mbola teny am-pandehanana izy ireo. Saro-piterahana i Rahely tamin’izay, ka maty teo am-piterahana nony farany. Ny zazalahy kely anefa dia tsy naninona. Nantsoin’i Jakoba hoe Benjamina izy io.

Tiantsika ny hitadidy ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakoba 12 satria avy amin’ireo no niavian’ny firenen’ny Israely manontolo. Raha ny marina, ny foko 12 amin’ny Israely dia nomena anarana araka ny 10 amin’ny zanakalahin’i Jakoba sy ny zanak’i Josefa roa lahy. Mbola velona taona maro taorian’ny nahaterahan’ireo zazalahy rehetra ireo i Isaka, ary tsy maintsy ho nahasambatra azy ny fananana zafikely maro be toy izany. Nefa aoka hojerentsika izay nitranga tamin’ny zafikeliny vavy nantsoina hoe Dina.