Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 21

Nankahala Azy Ireo Rahalahin’i Josefa

Nankahala Azy Ireo Rahalahin’i Josefa

JEREO fa malahelo sy kivy aoka izany ilay zazalahy. I Josefa io. Ny rahalahiny dia vao avy nivarotra azy tamin’ireo lehilahy ireo izay handeha ho any Ejipta. Ho lasa andevo i Josefa any. Nahoana no nanao izany zavatra ratsy izany ireo rahalahiny tsy iray reny taminy? Satria nialona an’i Josefa izy.

Faran’izay tena tia an’i Josefa i Jakoba rain’izy ireo. Nampiseho ny fankasitrahany azy izy tamin’ny fampanaovana akanjo lava tsara tarehy ho azy. Rehefa hitan’ireo zokiny sy rahalahiny folo fa tian’i Jakoba loatra i Josefa, dia nanomboka nialona sy nankahala an’i Josefa izy. Nefa nisy antony hafa iray koa nankahalany azy.

Nanonofy indroa i Josefa. Tao amin’ireo nofin’i Josefa roa dia niondrika teo anatrehany ny rahalahiny. Rehefa nolazain’i Josefa tamin’ny rahalahiny ireo nofy ireo, dia vao mainka nitombo ny fankahalan’izy ireo.

Indray andro àry, raha tany am-piandrasana ny ondrin-drainy ireo zokin’i Josefa, dia nangataka an’i Josefa i Jakoba mba handeha hijery raha tsara ihany izy ireo. Rehefa tazan’ny rahalahiny nanatona i Josefa, dia hoy ny sasany taminy: ‘Aoka hovonointsika izy!’ Nefa i Robena lahimatoa dia nilaza hoe: ‘Tsia, aza manao izany!’ Fa dia nobatain’izy ireo i Josefa ary natsipiny tao anatin’ny lavaka fantsakana tsy nisy rano. Avy eo dia nipetraka izy ireo mba hanapa-kevitra ny amin’izay hatao aminy.

Tamin’izay indrindra no nandalo ny lehilahy isimaelita vitsivitsy. Hoy i Joda tamin’ireo rahalahiny: ‘Aoka izy hamidintsika amin’ny Isimaelita.’ Ary izany no nataon’izy ireo. Namidin’izy ireo sekely volafotsy 20 i Josefa. Fihetsika ratsy sy tsy misy fitiavana re izany!

Inona izao no holazain’ireo rahalahin’i Josefa amin’ny rainy? Namono osy iray izy ary natsobony imbetsaka tao amin’ny ran’ilay osy ny akanjo tsara tarehin’i Josefa. Dia nentin’izy ireo nody tany amin’i Jakoba rainy ilay akanjo ary hoy izy ireo: ‘Nahita an’ity izahay. Koa fantaro na akanjon’i Josefa io na tsia.’

Fantatr’i Jakoba fa an’i Josefa ilay izy. ‘Novonoin’ny bibidia tokoa i Josefa’, hoy ny fihiakany. Ary izany indrindra no tian’ireo rahalahin’i Josefa hoeritreretin’ny rainy. Nalahelo dia nalahelo tokoa i Jakoba. Nitomany nandritra ny andro maro izy. Nefa tsy maty akory i Josefa. Andeha hojerentsika izay nitranga taminy tany amin’izay nitondrana azy.