Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 22

Natao An-tranomaizina i Josefa

Natao An-tranomaizina i Josefa

I JOSEFA dia 17 taona monja raha nentina ho any Ejipta. Tany izy dia namidy tamin’ny lehilahy iray natao hoe Potifara. I Potifara dia niasa ho an’i Farao, mpanjakan’i Ejipta.

Niasa mafy ho an’i Potifara tompony i Josefa. Noho izany, rehefa nihalehibe i Josefa, dia nampiandraiketin’i Potifara ny tranony manontolo. Nahoana àry i Josefa eto no ao an-tranomaizina? Noho ny vadin’i Potifara.

Nanjary lehilahy tsara tarehy i Josefa, ary nirin’ny vadin’i Potifara ny handrian’i Josefa taminy. Fantatr’i Josefa anefa fa ratsy izany ka tsy hanao izany izy. Tezitra mafy ny vadin’i Potifara. Koa rehefa niverina tao an-trano ny vadiny, dia nandainga taminy izy ka nilaza hoe: ‘Nitady handry tamiko ilay Josefa ratsy!’ Nino ny vadiny i Potifara ary tezitra mafy tamin’i Josefa. Koa dia natsipiny tao an-tranomaizina izy.

Avy hatrany dia hitan’ilay mpikarakara ny tranomaizina fa olona tsara i Josefa. Koa dia notendreny ho mpikarakara ny mpifatotra hafa rehetra izy. Tatỳ aoriana dia tezitra tamin’ny mpitondra kapoakany sy ny mpanao mofony i Farao ary nataony tao an-tranomaizina ireo. Indray alina dia samy nanonofy izy ireo, nefa tsy fantany ny hevitry ny nofiny. Ny andro nanaraka dia hoy i Josefa: ‘Ambarao amiko ny nofinareo.’ Ary rehefa nambaran’izy ireo izany, dia nohazavain’i Josefa ny hevitry ny nofin’izy ireo, noho ny fanampian’Andriamanitra.

Hoy i Josefa tamin’ilay mpitondra kapoaka: ‘Ato anatin’ny hateloana dia havoaka avy ato an-tranomaizina ianao, ary hanjary ho mpitondra kapoakan’i Farao indray.’ Hoy koa i Josefa: ‘Rehefa tafavoaka ianao, dia lazao amin’i Farao ny amiko ka ampio aho mba ho tafavoaka amin’ity toerana ity.’ Fa tamin’ny mpanao mofo kosa dia hoy i Josefa: ‘Ao anatin’ny hateloana dia hotapahin’i Farao ny lohanao.’

Rehefa afaka hateloana, dia araka izay nolazain’i Josefa no nitranga. Nasain’i Farao notapahina ny lohan’ilay mpanao mofo. Navela hivoaka ny tranomaizina kosa anefa ilay mpitondra kapoaka ary nanomboka nanompo ny mpanjaka indray. Nefa dia hadinon’ilay mpitondra kapoaka ny momba an’i Josefa rehetra! Tsy niresaka ny aminy tamin’i Farao izy, ka dia tsy maintsy nijanona tao an-tranomaizina i Josefa.