Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 23

Ireo Nofin’i Farao

Ireo Nofin’i Farao

LASA ny roa taona, ary mbola ao an-tranomaizina ihany i Josefa. Tsy nahatsiaro azy ilay mpitondra kapoaka. Indray andro àry dia nanana nofy roa niavaka i Farao, ary nanontany tena ny amin’ny hevitr’izany izy. Hitanao ve izy eto matory? Ny ampitso maraina dia nampiantsoin’i Farao ny olon-kendriny ary nolazainy azy ireo zavatra nonofisiny. Nefa tsy afaka nanambara taminy ny hevitry ny nofiny izy ireo.

Mba tsaroan’ilay mpitondra kapoaka ihany i Josefa tamin’ny farany. Hoy izy tamin’i Farao: ‘Fony aho tao an-tranomaizina dia nisy lehilahy afaka nanambara ny hevitry ny nofy tao.’ Nampanalain’i Farao avy tao an-tranomaizina avy hatrany i Josefa. Nambaran’i Farao tamin’i Josefa ny nofiny: ‘Nahita ombivavy fito matavy sy tsara tarehy aho. Avy eo dia nahita ombivavy fito tena mahia sy ratsy tarehy aho. Ary ny ombivavy fito mahia dia nitelina an’ireo matavy.’

‘Tao amin’ny nofiko faharoa dia nahita salohim-bary fito vokatra sy masaka naniry tamin’ny tahony iray aho. Avy eo dia nahita salohim-bary fito malazo sy maivam-boa aho. Dia nanomboka nitelina ny salohim-bary fito tsara ny salohim-bary malazo.’

Hoy i Josefa tamin’i Farao: ‘Zavatra iray ihany ny hevitry ny nofy roa. Ny ombivavy fito matavy sy ny salohim-bary fito vokatra dia fito taona, ary ny ombivavy fito mahia sy ny salohim-bary fito malazo dia fito taona hafa koa. Hisy fito taona hanirian’ny sakafo be dia be eto Ejipta. Avy eo dia hisy fito taona izay tsy hanirian’ny sakafo afa-tsy kely dia kely.’

Hoy àry i Josefa tamin’i Farao: ‘Mifidiana lehilahy hendry iray ary ampiandraiketo ny fanangonana sakafo izy mandritra ny fito taona tsara. Dia tsy ho mosarena ny vahoaka mandritra ny fito taona ratsy manaraka rehefa ho sakafo kely dia kely no haniny.’

Nankasitrahan’i Farao ilay hevitra. Ary dia nifidy an’i Josefa izy mba hanangona ny sakafo sy hitahiry azy. Tonga ny olona nalaza indrindra tany Ejipta i Josefa, nanarakaraka an’i Farao.

Valo taona tatỳ aoriana, nandritra ny mosary, dia nahita lehilahy vitsivitsy tonga teo aminy i Josefa. Fantatrao ve hoe iza izy ireo? Ny zokin’i Josefa folo mirahalahy izany! Nirahin’i Jakoba rainy ho any Ejipta izy ireo satria lany sakafo izy ireo tany Kanana. Fantatr’i Josefa ny rahalahiny fa izy ireo tsy nahafantatra azy. Fantatrao ve hoe nahoana? Satria efa nihalehibe i Josefa ary nanao karazan’akanjo hafa.

Tsaroan’i Josefa fa fony zazalahy izy dia nanonofy momba ireo rahalahiny tonga niondrika teo anatrehany. Tsaroanao ve fa efa namaky izany ianao? Koa dia hitan’i Josefa fa Andriamanitra no naniraka azy ho any Ejipta, ary noho ny antony tsara. Inona izao no heverinao fa hataon’i Josefa? Aoka hojerentsika.