Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 24

Tsapain’i Josefa Ireo Rahalahiny

Tsapain’i Josefa Ireo Rahalahiny

TIAN’I Josefa ho fantatra raha mbola tery saina sy lozabe ihany ny zokiny folo mirahalahy. Koa hoy izy: ‘Mpitsikilo ianareo. Tonga ianareo mba hizaha hoe inona no mampahalemy ny taninay.’

‘Tsia, tsy izany izahay’, hoy izy ireo. ‘Lehilahy marina izahay. Roa ambin’ny folo izahay. Nefa tsy eto intsony ny rahalahinay iray ary ny zandriny indrindra dia any an-trano miaraka amin’ny rainay.’

Mody tsy nino azy ireo i Josefa. Nohazoniny tao an-tranomaizina ny rahalahiny atao hoe Simeona, ary navelany haka sakafo sy handeha hody ny hafa. Nefa hoy izy tamin’izy ireo: ‘Rehefa miverina atỳ ianareo, dia tsy maintsy entinareo miaraka aminareo ny zandrinareo faralahy.’

Rehefa tonga tany Kanana ireo rahalahin’i Josefa, dia nambarany tamin’ny rainy izay rehetra nitranga. Nalahelo aoka izany i Jakoba. Hoy ny fihiakany: ‘I Josefa tsy eto intsony, ary i Simeona koa izao tsy eto intsony. Tsy havelako hitondra an’i Benjamina zanako faralahy ianareo.’ Nefa rehefa nanomboka lany ny sakafon’izy ireo, dia tsy maintsy namela azy ireo hitondra an’i Benjamina ho any Ejipta i Jakoba, mba hahafahana hahazo sakafo fanampiny.

Hitan’i Josefa tonga àry izao ireo rahalahiny. Faly tokoa izy nahita an’i Benjamina zandriny lahy. Tsy nisy nahafantatra anefa izy ireo hoe i Josefa ilay lehilahy manana toerana ambony. Misy zavatra hataon’i Josefa izao mba hitsapana an’ireo rahalahiny folo tsy iray reny taminy.

Nasain’i Josefa nofenoin’ny mpanompony sakafo ny lasakan’izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo anefa fa nasainy napetraka koa tao anatin’ny lasakan’i Benjamina ny kapoakany manokana vita tamin’ny volafotsy. Rehefa avy niainga izy rehetra ary mbola tsy lasa lavitra teny an-dalana, dia nasain’i Josefa nenjehin’ny mpanompony izy ireo. Rehefa tratra izy ireo, dia hoy ny mpanompony: ‘Nahoana no nangalarinareo ny kapoaka volafotsin’ny tomponay?’

‘Tsy nangalatra ny kapoakany izahay’, hoy ny navalin’ireo mpirahalahy rehetra. ‘Raha hitanareo atỳ amin’ny anankiray aminay ilay kapoaka, dia aoka hovonoina izany olona izany.’

Nikaroka tao anatin’ny lasaka rehetra àry ireo mpanompo, ary nahita ny kapoaka tao amin’ny lasakan’i Benjamina, dia araka ny ahitanao izany eto. Hoy ireo mpanompo: ‘Mahazo mandeha ianareo rehetra, fa i Benjamina kosa tsy maintsy miaraka aminay.’ Inona izao no hataon’izy folo mirahalahy?

Niverina daholo niaraka tamin’i Benjamina ho any an-tranon’i Josefa izy. Dia hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: ‘Mahazo mody ianareo rehetra, fa i Benjamina kosa tsy maintsy mijanona eto ho toy ny andevoko.’

Nandray fitenenana i Joda ka hoy izy: ‘Raha miverina tsy miaraka amin’ny zazalahy aho, dia ho faty ny raiko satria tiany loatra izy io. Noho izany, aoka re izaho no hohazonina eto ho toy ny andevonao, fa avelao ny zazalahy hody.’

Hitan’i Josefa izao fa niova ireo rahalahiny. Tsy tery saina sy lozabe intsony izy ireo. Aoka hojerentsika izao izay hataon’i Josefa.