Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 25

Nifindra Nankany Ejipta ny Fianakaviana

Nifindra Nankany Ejipta ny Fianakaviana

TSY azon’i Josefa nofehezina intsony ny fihetseham-pony. Nasainy nivoaka ny efitrano ny mpanompony rehetra. Rehefa izy sy ny rahalahiny sisa no teo, dia nanomboka nitomany i Josefa. Azontsika alaina sary an-tsaina ny fahatairan’ireo rahalahiny, satria tsy fantatr’izy ireo ny antony nitomaniany. Farany dia hoy izy: ‘Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ny raiko?’

Taitra loatra ireo rahalahiny ka tsy nahateny. Natahotra izy ireo. Nefa hoy i Josefa: ‘Avia, manatòna.’ Rehefa nanatona ireo, dia hoy izy: ‘Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Ejipta.’

Nanohy niteny tamim-pahalemem-panahy i Josefa: ‘Aza manome tsiny ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ. Andriamanitra tokoa no naniraka ahy ho atỳ Ejipta mba hamonjy ain’olona. Efa nataon’i Farao mpanapaka ny tany manontolo aho. Mandehana àry ankehitriny miverina haingana any amin’ny raiko ka ambarao aminy izany, ary ilazao izy mba ho avy sy hipetraka atỳ.’

Dia nisakambina sy namihina ary nanoroka ny rahalahiny rehetra i Josefa. Rehefa ren’i Farao fa efa tonga ny rahalahin’i Josefa, dia hoy izy tamin’i Josefa: ‘Aoka izy ireo haka sariety ka handeha haka ny rainy sy ny vady aman-janany ary hiverina atỳ. Homeko azy ireo ny tsara indrindra amin’ny tany Ejipta rehetra.’

Izany no nataon’izy ireo. Afaka mahita an’i Josefa ianao eto, tafahaona amin’ny rainy izay tonga tany Ejipta niaraka tamin’ny fianakaviany manontolo.

Lasa maro be tokoa ny fianakavian’i Jakoba. Amin’ny fitambarany dia nisy 70 tamin’ny fifindrana nankany Ejipta, ao anatin’izany i Jakoba sy ny zanany ary ny zafikeliny. Nefa tao koa ireo vehivavy vady, ary tsy isalasalana fa ireo mpanompo maro ihany koa. Nanorim-ponenana tany Ejipta ireo rehetra ireo. Nantsoina hoe Israelita izy ireo, satria efa novan’Andriamanitra ho Israely ny anaran’i Jakoba. Tonga vahoaka manokana tokoa ho an’Andriamanitra ny Israelita, araka ny hahitantsika izany any aoriana.