Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 26

Tsy Nivadika Tamin’Andriamanitra i Joba

Tsy Nivadika Tamin’Andriamanitra i Joba

MBA malahelo an’io lehilahy marary io ve ianao? Joba no anarany, ary vadiny ilay vehivavy. Fantatrao ve izay lazainy amin’i Joba? Hoy izy: ‘Mitenena ratsy an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.’ Aoka hojerentsika ny antony nitenenany zavatra toy izany, sy ny antony nijalian’i Joba aoka izany.

Lehilahy nahatoky i Joba ary nankatò an’i Jehovah. Tao amin’ny tany Oza no nisy azy, tsy lavitra an’i Kanana. Tena tia aoka izany an’i Joba i Jehovah, nefa nisy olona iray kosa nankahala azy. Fantatrao ve hoe iza io?

I Satana Devoly izany. Tadidio fa i Satana ilay anjely ratsy mankahala an’i Jehovah. Afaka nitarika an’i Adama sy Eva tsy hankatò an’i Jehovah izy, ary nihevitra fa ho azony tarihina tsy hankatò an’i Jehovah koa ny olona hafa rehetra. Nefa afaka nanao izany ve izy? Tsia. Hevero fotsiny ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky maro izay vao nianarantsika ny aminy. Firy amin’izy ireny no azonao tononina?

Taorian’ny nahafatesan’i Jakoba sy Josefa tany Ejipta, dia i Joba no olona nahatoky indrindra teo anatrehan’i Jehovah eran’ny tany rehetra. Tian’i Jehovah hampahafantarina an’i Satana fa tsy afaka hitarika ny olona rehetra ho lasa ratsy izy, ka hoy izy: ‘Jereo Joba, fa tena mahatoky eo anatrehako izy.’

‘Mahatoky izy’, hoy ny famalin’i Satana, ‘satria notahinao izy ary manan-java-tsoa maro. Fa raha esorinao aminy ireo, dia handa anao izy.’

Hoy àry i Jehovah: ‘Mandehana, esory aminy ireo. Ataovy izay ratsy rehetra tianao hatao amin’i Joba. Ho hitantsika raha handa ahy izy. Tandremo fotsiny mba tsy hamono hahafaty azy ianao.’

Voalohany, dia nataon’i Satana izay hangalaran’olona ny omby sy ny ramevan’i Joba, ary novonoiny ny ondry aman’osiny. Avy eo dia novonoiny tao amin’ny tafiodrivotra ny zanany folo mianadahy. Manaraka izany, dia namely an’i Joba tamin’io aretina mahatsiravina io i Satana. Faran’izay nijaly i Joba. Izany no antony nilazan’ny vadiny taminy hoe: ‘Mitenena ratsy an’Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.’ Nefa tsy nety nanao izany i Joba. Nisy sakaiza sandoka telo tonga koa ary nilaza taminy fa nanana fiainana ratsy izy. Nitoetra ho mahatoky anefa i Joba.

Tena nahafaly an’i Jehovah izany, ary taorian’izany dia nitahy an’i Joba izy, araka ny azonao jerena eto amin’ny sary. Nositranin’i Jehovah ny aretiny. Nanan-janaka tsara tarehy folo hafa izy, sy omby, ondry aman’osy ary rameva avo roa heny noho ny nananany teo aloha.

Hitoetra ho mahatoky mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah tahaka an’i Joba ve ianao? Hitahy anao koa Andriamanitra, raha manao izany ianao. Ho afaka ho velona mandrakizay ianao rehefa ho lasa tsara tarehy sahala amin’ny zaridainan’i Edena ny tany manontolo.