Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 27

Nanapaka Tany Ejipta ny Mpanjaka Ratsy Iray

Nanapaka Tany Ejipta ny Mpanjaka Ratsy Iray

MANERY ny olona hiasa ireto lehilahy ireto. Jereo ilay lehilahy izay mikapoka ny iray amin’ny mpiasa amin’ny karavasy. Avy amin’ny fianakavian’i Jakoba ireo mpiasa ary antsoina hoe Israelita. Ireo lehilahy manery azy hiasa dia Ejipsianina. Nanjary andevon’ny Ejipsianina ny Israelita. Ahoana no nahatonga izany?

Nandritra ny taona maro dia niaina tamim-piadanana tany Ejipta ny fianakaviamben’i Jakoba. I Josefa, ilay lehilahy nalaza indrindra tany Ejipta nanarakaraka an’i Farao, no nikarakara azy ireo. Maty anefa i Josefa tatỳ aoriana. Dia nisy Farao vaovao iray izay tsy tia ny Israelita, tonga mpanjakan’i Ejipta.

Nanandevo ny Israelita io Farao ratsy io. Ary dia nanendry lehilahy masiaka sy lozabe izy hanara-maso azy. Nanery ny Israelita hiasa faran’izay mafy izy ireo tamin’ny fanorenana tanàna ho an’i Farao. Nefa nihamaro isa hatrany ny Israelita. Rehefa afaka fotoana fohy dia natahotra ny Ejipsianina sao tonga maro sy mahery loatra ny Israelita.

Fantatrao ve izay nataon’i Farao? Niteny tamin’ireo vehivavy izay nampiteraka ny reny israelita izy nanao hoe: ‘Tsy maintsy vonoinareo ny zazalahy rehetra izay teraka.’ Nefa vehivavy tsara ireo, ka tsy namono an’ireo zaza vao teraka.

Nanome izao baiko izao ho an’ny vahoakany rehetra àry i Farao: ‘Raiso ny zazalahy israelita vao teraka ary vonoy. Ny zazavavy ihany no avelao ho velona.’ Moa ve tsy zavatra mahatsiravina izany baiko izany? Andeha hojerentsika ny fomba namonjena ny iray tamin’ireo zazalahy vao teraka.