Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 28

Ny Fomba Namonjena An’i Mosesy Zazakely

Ny Fomba Namonjena An’i Mosesy Zazakely

JEREO ilay zazakely mitomany, ary mihazona ny rantsantanan’ilay vehivavy. I Mosesy io. Fantatrao ve hoe iza ilay vehivavy tsara tarehy? Andriambavy ejipsianina izy io, zanakavavin’i Farao.

Nafenin-dreniny i Mosesy zazakely mandra-pahafenony telo volana, satria tsy tiany hovonoin’ny Ejipsianina. Fantany anefa fa mety ho tratra i Mosesy, ka dia izao no nataony mba hamonjena azy.

Naka fiara zozoro izy ka namboariny izany mba tsy ho tafiditry ny rano. Dia nataony tao anatiny i Mosesy, ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ny Ony Neily ny fiara. Nasainy nijoro teny akaiky teny i Miriama anabavin’i Mosesy mba hahita izay hitranga.

Tsy ela dia nidina mba handro tao amin’ny Ony Neily ny zanakavavin’i Farao. Hitany tampoka ny fiara tao anaty zozoro. Niantso ny iray tamin’ny mpanompovaviny izy ka nanao hoe: ‘Andeha alao ho ahy io fiara zozoro io.’ Rehefa nosokafan’ilay andriambavy ny fiara zozoro, dia endrey ny hatsaran’ny zazakely izay hitany! Nitomany i Mosesy kely tamin’izay, ary nangoraka azy ilay andriambavy. Tsy niriny ny hamonoana azy.

Tonga amin’izay àry i Miriama. Hitanao izy eo amin’ny sary. Hoy i Miriama tamin’ny zanakavavin’i Farao: ‘Handeha haka vehivavy israelita va aho mba hitaiza ny zaza ho anao?’

‘Mandehana àry’, hoy ilay andriambavy.

Dia nihazakazaka haingana i Miriama mba hilaza amin-dreniny. Rehefa tonga teo amin’ilay andriambavy ny renin’i Mosesy, dia hoy ilay andriambavy: ‘Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao.’

Nikarakara ny zanany ihany àry ny renin’i Mosesy. Rehefa lehibebe i Mosesy tatỳ aoriana, dia nentiny ho any amin’ny zanakavavin’i Farao, izay nanangana azy ho toy ny zanany lahy. Izany no nahatonga an’i Mosesy ho nitombo tao an-tranon’i Farao.