Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 29

Nahoana no Nandositra i Mosesy

Nahoana no Nandositra i Mosesy

JEREO eto i Mosesy mandositra miala any Ejipta. Hitanao ve ireo lehilahy manenjika azy? Fantatrao ve hoe nahoana no naniry hamono an’i Mosesy izy ireo? Andeha hofantarintsika ny antony.

Nitombo tao an-tranon’i Farao mpanapaka an’i Ejipta i Mosesy. Tonga lehilahy tena hendry sy nalaza izy. Fantatr’i Mosesy fa tsy Ejipsianina izy, fa ireo tena ray aman-dreniny dia andevo israelita.

Indray andro, rehefa 40 taona i Mosesy dia nanapa-kevitra ny handeha hijery ny toetoetry ny fireneny. Nahatsiravina ny fomba nitondrana azy ireo. Nahita Ejipsianina iray teo am-pikapohana andevo israelita iray izy. Niherikerika i Mosesy, ary rehefa hitany fa tsy nisy olona, dia nokapohiny ilay Ejipsianina. Nafenin’i Mosesy tao anaty fasika ny fatiny rehefa avy eo.

Ny andro nanaraka dia nivoaka izy mba hijery indray ny mpiray firenena taminy. Nihevitra izy fa ho afaka hanampy azy ireo mba tsy ho andevo intsony. Nahita lehilahy israelita roa teo am-piadiana izy, ka hoy Mosesy tamin’ilay diso: ‘Nahoana no mamono ny rahalahinao ianao?’

Hoy ralehilahy: ‘Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ianao, tahaka ny namonoanao ilay Ejipsianina?’

Nanjary natahotra izao i Mosesy. Fantany fa nahalala izay nataony tamin’ilay Ejipsianina ny olona. Nahare ny momba izany na dia i Farao aza, ka naniraka olona izy mba hamono an’i Mosesy. Izany no antony tsy maintsy nandosiran’i Mosesy niala tany Ejipta.

Rehefa nandao an’i Ejipta i Mosesy, dia nandeha lavitra be tany amin’ny tany Midiana. Nihaona tamin’ny fianakavian’i Jetro izy tao, ary nanambady an’i Zipora, iray tamin’ireo zanany vavy. Tonga mpiandry ondry i Mosesy ary nikarakara ny ondrin’i Jetro. Niaina tao amin’ny tany Midiana nandritra ny 40 taona izy. Valopolo taona izy izao. Indray andro àry, raha teo am-piandrasana ny ondrin’i Jetro izy, dia nisy zava-nahagaga nitranga izay nanova ny fiainan’i Mosesy manontolo. Avadiho ny pejy, ary aoka hojerentsika io zava-mahagaga io.