Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 30

Ilay Roimemy Nirehitra

Ilay Roimemy Nirehitra

TONGA hatrany amin’ny tendrombohitra Horeba i Mosesy mba hitady ahitra ho an’ny ondriny. Nahita roimemy nirehitra izy teo, nefa tsy nety may izany!

‘Hafahafa izy izany’, hoy ny eritreritr’i Mosesy. ‘Hanatona akaiky kokoa aho ary hahita tsaratsara kokoa.’ Rehefa nanao izany izy, dia nandre feo avy ao amin’ny roimemy nanao hoe: ‘Aza manatona intsony. Esory ny kapanao, fa tany masina io itsangananao io.’ Andriamanitra no niteny tamin’i Mosesy tamin’ny alalan’ny anjely iray, ka dia nisaron-tava i Mosesy.

Dia hoy Andriamanitra: ‘Efa hitako ny fahorian’ny oloko any Ejipta. Noho izany dia hanafaka azy aho, ary ianao no hirahiko mba hitarika ny oloko hivoaka avy any Ejipta.’ Handeha hitondra ny olony ho any amin’ny tany Kanana i Jehovah.

Nefa hoy i Mosesy: ‘Tsinontsinona aho. Ahoana no hahavitako izany? Hevero anefa hoe mandeha any aho. Hilaza amiko ny Israelita hoe: “Iza no naniraka anao?” Inona no holazaiko amin’izay?’

‘Izao no holazainao’, hoy ny navalin’Andriamanitra. ‘ “I JEHOVAH izay Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.”’ Dia hoy ny nanampin’i Jehovah: ‘Izany no anarako mandrakizay.’

‘Hevero anefa hoe tsy hino ahy izy rehefa milaza aho fa efa naniraka ahy ianao’, hoy ny navalin’i Mosesy.

‘Inona moa iny an-tananao iny?’, hoy Andriamanitra.

Namaly i Mosesy hoe: ‘Tehina ity.’

‘Atsipazo amin’ny tany iny’, hoy Andriamanitra. Ary rehefa nataon’i Mosesy izany, dia tonga menarana ilay tehina. Nampisehoan’i Jehovah fahagagana hafa iray i Mosesy avy eo. Hoy izy: ‘Atsofohy ao anaty akanjonao ny tananao.’ Nataon’i Mosesy izany, ary rehefa notsoahiny avy ao ny tanany dia fotsy tahaka ny orampanala! Tahaka ny voan’ilay aretin-dratsy antsoina hoe habokana ny tanany. Nomen’i Jehovah fahefana i Mosesy, nanaraka izany, mba hanao fahagagana iray fahatelo. Farany dia hoy izy: ‘Rehefa manao ireo fahagagana ireo ianao dia hino ny Israelita fa efa naniraka anao aho.’

Dia nody tany aminy i Mosesy taorian’izany ary niteny tamin’i Jetro hoe: ‘Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin’ny havako izay any Ejipta mba hizaha hoe manao ahoana izy.’ Dia nanao veloma an’i Mosesy i Jetro, ary nanomboka ny diany niverina ho any Ejipta i Mosesy.