Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 31

Mihaona Amin’i Farao i Mosesy sy Arona

Mihaona Amin’i Farao i Mosesy sy Arona

REHEFA niverina tany Ejipta i Mosesy, dia nanambara tamin’i Arona rahalahiny ny zava-drehetra momba ireo fahagagana. Ary rehefa nasehon’i Mosesy sy Arona ny Israelita ireo fahagagana ireo, dia nino ny vahoaka fa nomba azy ireo i Jehovah.

Avy eo i Mosesy sy Arona dia nandeha nihaona tamin’i Farao. Hoy izy ireo taminy: ‘Hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Avelao ny oloko handeha mandritra ny telo andro, mba hahafahany hanao fanompoam-pivavahana ho ahy any an’efitra.”’ Nefa hoy ny navalin’i Farao: ‘Tsy mino an’i Jehovah aho, ka tsy halefako ny Israely.’

Tezitra i Farao, satria naniry hahazo fotoana tsy fiasana ny vahoaka mba hanaovana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah. Koa dia notereny hiasa mafimafy kokoa ihany izy ireo. Nanome tsiny an’i Mosesy ny Israelita noho ny fomba ratsy nitondrana azy ireo, ary dia nalahelo i Mosesy. Nilaza taminy anefa i Jehovah mba tsy hanahy ny amin’izany. ‘Hataoko izay hampandefasan’i Farao ny oloko’, hoy i Jehovah.

Nandeha nihaona indray tamin’i Farao i Mosesy sy Arona. Tamin’ity kosa dia nanao fahagagana izy ireo. Natsipin’i Arona tamin’ny tany ny tehiny ary tonga menarana lehibe. Mba nanipy ny tehiny tamin’ny tany koa ireo olon-kendrin’i Farao, ary nisy menarana niseho. Nefa indro, fa natelin’ny menaranan’i Arona ireo menaranan’ny olon-kendry. Mbola tsy nandefa ny Israelita ihany anefa i Farao.

Tonga àry izao ny fotoana hampianaran’i Jehovah lesona iray an’i Farao. Fantatrao ve ny fomba nanaovany izany? Tamin’ny fandefasana ireo loza folo, na fahasahiranana lehibe tamin’i Ejipta.

Rehefa maro no lasa tamin’ireo loza, dia nampaniraka ho any amin’i Mosesy i Farao nanao hoe: ‘Atsaharo ny loza, dia havelako handeha ny Israely.’ Nefa rehefa nitsahatra ny loza, dia niova hevitra i Farao. Tsy navelany handeha ny vahoaka. Farany anefa, taorian’ny loza fahafolo, dia nalefan’i Farao ny Israelita.

Fantatrao ve ny tsirairay amin’ireo loza folo? Avadiho ny pejy ary aoka hofantarintsika ny amin’izy ireo.