Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 3

Hatreo Amin’ny Fanafahana avy any Ejipta ka Hatramin’ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely

Hatreo Amin’ny Fanafahana avy any Ejipta ka Hatramin’ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely

I Mosesy dia nitarika ny Israelita avy amin’ny fahababoana tany Ejipta ho eo an-tendrombohitra Sinay, izay nanomezan’Andriamanitra azy ireo ny lalàny. Tatỳ aoriana i Mosesy dia naniraka lehilahy 12 mba hisafo ny tany Kanana. Niverina nanao filazana ratsy anefa ny 10 tamin’izy ireo. Nahatonga ny vahoaka haniry hiverina tany Ejipta izy. Noho ny tsy fahampiam-pinoany, dia nofaizin’Andriamanitra ny Israelita ka nataony nirenireny 40 taona tany an’efitra.

Farany, dia nofidina i Josoa mba hitarika ny Israelita hiditra ao amin’ny tany Kanana. Mba hanampiana azy hahazo ny tany, dia nanao fahagagana i Jehovah. Nataony izay tsy handehanan’ny Ony Jordana, izay hianjeran’ny mandan’i Jeriko, izay hijanonan’ny masoandro nandritra ny iray andro maninjitra. Rehefa afaka enin-taona, dia azo avy teo am-pelatanan’ny Kananita ny tany.

Nanomboka tamin’i Josoa, dia ireo mpitsara no nanapaka ny Israelita nandritra ny 356 taona. Hianatra momba ny maro amin’izy ireo isika, anisan’izany i Baraka, Gideona, Jefta, Samsona ary Samoela. Hamaky koa isika ny amin’ireo vehivavy toa an-dRahaba, Debora, Jaela, Rota, Naomy ary Delila. Amin’ny fitambarany, ny Fizarana FAHATELO dia mahafaoka tantara naharitra 396 taona.