Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 36

Ilay Ombilahy Kely Volamena

Ilay Ombilahy Kely Volamena

OADRAY! Inona izato ataon’ny olona? Mivavaka amin’ny ombilahy kely iray izy! Nahoana no manao izao izy?

Rehefa naharitra ela tany an-tendrombohitra i Mosesy, dia hoy ny olona: ‘Tsy fantatsika izay nanjo an’i Mosesy. Koa aoka isika hanao andriamanitra mba hitarika antsika hiala amin’ity tany ity.’

‘Eny àry’, hoy i Arona rahalahin’i Mosesy. ‘Esory ny kavim-bolamenanareo, ary ento atỳ amiko ireny.’ Rehefa nanao izany ny olona, dia narendrik’i Arona ireny ary nanaovany ombilahy kely volamena iray. Ary hoy ny olona: ‘Io no andriamanitsika, izay nitondra antsika avy tany Ejipta!’ Dia nanao firavoravoana be ny Israelita ary nanompo ny ombilahy kely volamena.

Rehefa hitan’i Jehovah izany dia tezitra mafy izy. Ka hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Mandehana midina haingana. Manao zavatra tena ratsy ny olona. Nanadino ny lalàko izy ary miankohoka amin’ny ombilahy kely volamena iray.’

Nidina haingana ny tendrombohitra i Mosesy. Ary rehefa nanakaiky izy, dia izao no hitany. Mihira sy mandihy manodidina ny ombilahy kely volamena ny olona! Tezitra loatra i Mosesy ka natontany tamin’ny tany ny vato fisaka roa nisy ny lalàna, ary nizara ho potiny maro dia maro izany. Dia noraisiny ny ombilahy kely volamena ka narendriny ary notorotoroiny ho lasa vovoka.

Nanao zavatra faran’izay ratsy ny olona. Nilazan’i Mosesy àry ny lehilahy sasany mba haka ny sabany. ‘Tokony ho faty ny olona ratsy fanahy izay nanompo ny ombilahy kely volamena’, hoy i Mosesy. Koa dia nahafaty olona 3 000 ireo lehilahy ireo! Tsy mampiseho ve izany fa ilaintsika ny mitandrina mba hanompo an’i Jehovah irery ihany, fa tsy izay andriamani-diso?