Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 37

Tranolay Fanaovana Fanompoam-pivavahana

Tranolay Fanaovana Fanompoam-pivavahana

FANTATRAO ve hoe inona io trano io? Tranolay manokana fanaovana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah io, ary antsoina koa hoe ny tabernakely. Herintaona taorian’ny nialana tany Ejipta no nahavitan’ny olona ny fanorenana azy. Fantatrao ve hoe iza no nanome hevitra hanorenana azy io?

Hevitr’i Jehovah izany. Raha mbola tany an-tampon’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, i Jehovah dia nilaza taminy mba hanorina azy io. Nasainy namboarina izany mba ho azo sarahina mora foana. Amin’izany ireo faritra samihafa dia ho azo afindrafindra toerana, ary atambatra ao indray. Koa rehefa nifindrafindra tany an’efitra ny Israelita, dia nentiny niaraka taminy ny tranolay.

Raha mijery ao anatin’ilay efitra kely erỳ amin’ny faran’ny tranolay ianao, dia afaka mahita vata, na kesika be iray. Antsoina hoe ny fiaran’ny fanekena izy io. Nahitana anjely na kerobima roa vita tamin’ny volamena izy io, iray avy eo amin’ny andaniny roa. Nosoratan’Andriamanitra indray teo amin’ny vato fisaka roa ny Didy Folo, satria nopotehin’i Mosesy ireo vato voalohany. Ary dia notehirizina tao anatin’ny fiaran’ny fanekena ireo vato ireo. Nisy koa siny misy mana notehirizina tao anatiny. Tsaroanao ve ny atao hoe mana?

I Arona rahalahin’i Mosesy no ilay nofidin’i Jehovah mba ho tonga mpisoronabe. Nitarika ny vahoaka izy teo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ary mpisorona koa ireo zanakalahiny.

Jereo indray izao ny efitra lehibe kokoa amin’ny tabernakely. Avo roa heny noho ilay efitra kely ny habeny. Tazanao ve ilay vata, na kesika kely misy setroka miakatra avy aminy? Io no alitara fandoroan’ny mpisorona zavatra mani-pofona antsoina hoe ditin-kazo manitra. Manaraka izany ny fanaovan-jiro izay nisy jiro fito. Ary ny zavatra fahatelo ao amin’ny efitrano dia latabatra iray. Mofo 12 no tehirizina eo amboniny.

Ao amin’ny tokotanin’ny tabernakely dia misy koveta be iray, na tavy, izay feno rano. Ampiasain’ny mpisorona izany mba ho fidiovana. Misy koa alitara lehibe iray. Eo no andorana ireo biby novonoina ho toy ny fanatitra ho an’i Jehovah. Teo afovoan’ny toby no nisy ny tranolay, ary ny Israelita dia nonina tao amin’ireo lainy nanodidina izany.