Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 38

Ny Mpisafo Tany 12

Ny Mpisafo Tany 12

DINIHO ny voankazo entin’ireto lehilahy ireto. Jereo ny haben’ilay salohim-boaloboka. Mila olona roa mba hitondra izany amin’ny bao. Ary jereo ny aviavy sy ny ampongabendanitra. Avy aiza ireo voankazo tsara tarehy ireo? Avy any amin’ny tany Kanana. Tsarovy fa i Kanana no toerana nonenan’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba fahiny. Nefa noho ny mosary tao, i Jakoba, niaraka tamin’ny fianakaviany, dia nifindra nankany Ejipta. Ankehitriny, eo amin’ny 216 taona atỳ aoriana, i Mosesy dia eo am-pitarihana ny Israelita hiverina any Kanana. Tonga eo amin’ny toerana iray any an’efitra antsoina hoe Kadesy izy ireo.

Olona ratsy fanahy no nonina tao amin’ny tany Kanana. Koa dia naniraka mpisafo tany 12 i Mosesy ary nanao taminy hoe: ‘Fantaro ny habetsahan’ny olona mitoetra ao, manao ahoana ny heriny. Fantaro raha tsara ambolen-javatra ny tany. Ary aza hadinoina ny mitondra miverina sasany amin’ny vokatra.’

Rehefa niverina tao Kadesy ireo mpisafo tany, dia hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Tany tena tsara dia tsara tokoa ilay izy.’ Ary mba hanaporofoana izany, dia nasehony an’i Mosesy ny sasany tamin’ny vokatra. Nefa ny folo tamin’ny mpisafo tany dia niteny hoe: ‘Vaventy sy mahery ny olona izay monina ao. Ho faty isika raha manandrana maka ny tany.’

Natahotra ny Israelita rehefa nahare izany. ‘Tsaratsara kokoa ny maty tany Ejipta na teto amin’ity efitra ity mihitsy aza’, hoy izy ireo. ‘Ho faty amin’ny ady isika, ary ho lasan-ko babo ny vady aman-janatsika. Aoka isika hifidy mpitarika vaovao ho solon’i Mosesy, ary hiverina any Ejipta!’

Ny roa tamin’ireo mpisafo tany anefa dia natoky an’i Jehovah, ary nanandrana nampitony ny vahoaka. Josoa sy Kaleba no anarany. Hoy izy: ‘Aza matahotra. Momba antsika i Jehovah. Ho mora ny fahazoana ny tany.’ Nefa tsy nihaino ny olona. Naniry mihitsy hamono an’i Josoa sy Kaleba aza izy.

Tena nahatezitra an’i Jehovah izany ka dia hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Tsy hisy amin’ny olona 20 taona no ho miakatra hiditra ao amin’ny tany Kanana. Nahita ireo fahagagana nataoko tany Ejipta sy tany an’efitra izy, nefa mbola tsy matoky ahy ihany. Koa dia hirenireny any an’efitra mandritra ny 40 taona izy mandra-pahafatin’ny farany aminy. Fa i Josoa sy Kaleba ihany no hiditra ao amin’ny tany Kanana.’