Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 39

Nisy Voninkazo Nitsimoka Tamin’ny Tehin’i Arona

Nisy Voninkazo Nitsimoka Tamin’ny Tehin’i Arona

JEREO ny voninkazo sy ny amygdala masaka mitsimoka avy amin’ity tehina ity, na tsorakazo. Tehin’i Arona izy io. Ireo voninkazo ireo sy ny voankazo masaka dia nitsimoka avy amin’ny tehin’i Arona tao anatin’ny indray alina monja! Andeha hojerentsika ny nahatonga izany.

Efa nirenireny kelikely tany an’efitra izao ny Israelita. Nieritreritra ny olona sasany fa tsy tokony ho i Mosesy no ho mpitarika, na i Arona no ho mpisoronabe. Anisan’ny nieritreritra toy izany i Kora, ary koa i Datana sy Abirama ary mpitarika 250 teo amin’ny olona. Tonga ireo rehetra ireo nilaza tamin’i Mosesy hoe: ‘Nahoana ianareo no manambony tena amintsika rehetra?’

Hoy i Mosesy tamin’i Kora sy ny mpanaraka azy: ‘Rahampitso maraina dia raiso ny fitondran’afonareo ary asio ditin-kazo manitra ao anatiny. Dia tongava eo amin’ny tabernakelin’i Jehovah. Ho hitantsika izay hofidin’i Jehovah.’

Ny ampitso dia tonga teo amin’ny tabernakely i Kora sy ny 250 mpanaraka azy. Nisy maro hafa koa tonga teo mba hanohana an’ireo lehilahy ireo. Tezitra aoka izany i Jehovah. ‘Mialà amin’ny lain’ireo olon-dratsy ireo’, hoy i Mosesy. ‘Aza mikasika izay azy akory.’ Nihaino ny olona, ary nihataka tamin’ny lain’i Kora sy Datana ary Abirama.

Dia hoy i Mosesy: ‘Izao no hahafantaranareo izay nofidin’i Jehovah. Hisokatra ny tany ary hitelina an’ireo lehilahy ratsy fanahy ireo.’

Raha vao tapitra ny tenin’i Mosesy dia nisokatra ny tany. Nilentika tany ambany ny lain’i Kora sy ny fananany, ary koa i Datana sy Abirama ary ireo niaraka taminy, ary dia nikatona teo amin’izy ireo ny tany. Rehefa nandre ny fidradradradran’ireo izay latsaka tany anaty tany ny olona, dia niantsoantso hoe: ‘Mandosira! Mety hitelina antsika koa ny tany!’

Mbola teo akaikin’ny tabernakely ihany i Kora sy ny 250 mpanaraka azy. Koa dia nandatsaka afo i Jehovah, ary may avokoa izy rehetra. Avy eo dia nilazan’i Jehovah i Eleazara, zanakalahin’i Arona, haka ny fitondran’afon’ireo lehilahy maty ary hanao takelaka manify ho an’ny alitara avy amin’izany. Io takelaky ny alitara io dia ho fampitandremana ny Israelita fa tsy misy olona ankoatra an’i Arona sy ny zanany lahy, tokony hiasa amin’ny maha mpisoron’i Jehovah.

Tian’i Jehovah haseho mazava tsara anefa fa i Arona sy ny zanany lahy no nofidiny mba ho mpisorona. Koa hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Asaivo mitondra ny tehiny avy ny filoha iray isam-poko. Aoka i Arona hitondra ny tehiny ho an’ny fokon’i Levy. Avy eo dia apetaho ao amin’ny tabernakely eo anoloan’ny fiaran’ny fanekena ny tsirairay amin’ireo tehina ireo. Ny tehin’ny lehilahy izay nofidiko ho mpisorona dia haniry voninkazo.’

Rehefa nijery i Mosesy ny ampitso, dia, indro, ny tehin’i Arona fa nahitana ireo voninkazo sy amygdala masaka ireo nitsimoka teo aminy! Hitanao àry ve izao ny antony nampitsimohan’i Jehovah ny tehin’i Arona?