Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 40

Nikapoka ny Vatolampy i Mosesy

Nikapoka ny Vatolampy i Mosesy

NANDALO ny taona nifanesy: 10 taona, 20 taona, 30 taona, 39 taona! Mbola any an’efitra ihany ny Israelita. Nikarakara ny olony anefa i Jehovah nandritra ireo taona rehetra ireo. Novelominy tamin’ny mana izy ireo. Notarihiny tamin’ny andry rahona izy ireo tamin’ny antoandro, ary tamin’ny andry afo nony alina. Ary nandritra ireo taona rehetra ireo dia tsy rovitra ny fitafiany ary tsy narary ny tongony.

Volana voalohany amin’ny taona faha-40 hatramin’ny nialany tany Ejipta izao. Nitoby indray tao Kadesy ny Israelita. Teo no nisy azy ireo rehefa nirahina ny mpisafo tany 12 mba hizaha ny tany Kanana efa ho 40 taona talohan’izao. Tao Kadesy no maty i Miriama anabavin’i Mosesy. Ary toy ny teo aloha, dia hisy fahasahiranana eto.

Tsy nahita rano ny olona, ka dia nitaraina tamin’i Mosesy hoe: ‘Ho tsara kokoa raha maty izahay. Nahoana ianao no nitondra anay avy any Ejipta ho amin’ity toerana mahatsiravina tsy misy na inona na inona ity? Tsy misy voan-javatra, tsy misy aviavy, tsy misy voaloboka, tsy misy ampongabendanitra. Tsy misy rano mba hosotroina akory.’

Rehefa nankeo amin’ny tabernakely i Mosesy sy Arona mba hivavaka, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Vorio miaraka ny olona. Dia mitenena amin’irỳ vatolampy irỳ eo anatrehan’izy rehetra. Hisy rano ampy hivoaka avy amin’izany ho an’ny olona sy ny bibiny rehetra.’

Koa dia novorin’i Mosesy ny olona, ary hoy izy: ‘Mihainoa, ry mpiodina: Moa va tsy maintsy hampivoaka rano ho anareo avy amin’ity vatolampy ity izaho sy Arona?’ Dia nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny i Mosesy, ary niboiboika be dia be avy amin’ny vatolampy ny rano. Nisy rano ampy mba hosotroin’ny olona sy ny biby rehetra.

Tezitra tamin’i Mosesy sy Arona anefa i Jehovah. Fantatrao ve ny antony? Satria nilaza i Mosesy sy Arona fa izy ireo no hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy. Nefa raha ny marina dia i Jehovah no nanao izany. Ary satria i Mosesy sy Arona tsy nanambara ny marina momba izany, i Jehovah dia nilaza fa hanasazy azy ireo. ‘Tsy hitarika ny oloko hiditra any Kanana ianareo’, hoy izy.

Tsy ela dia nandao an’i Kadesy ny Israelita. Fotoana fohy taorian’izay dia tonga teo amin’ny Tendrombohitra Hora izy ireo. Teo no maty i Arona, teo an-tampon’ny tendrombohitra. Telo amby roapolo amby zato taona izy tamin’ny andro nahafatesany. Nalahelo aoka izany ny Israelita, ka dia nitomany an’i Arona ny olona nandritra ny 30 andro. I Eleazara zanany lahy no nanjary mpisoronabe manaraka teo amin’ny firenen’ny Israely.