Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 41

Ilay Menarana Varahina

Ilay Menarana Varahina

MOA ve toa tena menarana mihodidina amin’ny tsato-kazo io? Tsy izany. Vita amin’ny varahina ilay menarana eto. I Jehovah dia nilaza tamin’i Mosesy mba hametraka izany teo an-tendron’ny tsato-kazo mba hahafahan’ny olona hijery azy ka ho velona. Fa ny menarana hafa eny amin’ny tany dia tena izy. Nanaikitra ny olona izy ireny ary nahatonga azy harary. Fantatrao ve hoe nahoana?

Satria ny Israelita niteny nanohitra an’Andriamanitra sy Mosesy. Hoy ny fitarainany: ‘Nahoana ianao no nitondra anay avy any Ejipta mba ho faty atỳ amin’ity efitra ity? Tsy misy sakafo na rano eto. Ary tsy afaka hihinana ity mana ity intsony izahay.’

Sakafo tsara anefa ny mana. Tamin’ny fahagagana no nanomezan’i Jehovah izany ho azy ireo. Ary tamin’ny fahagagana no nanomezany rano koa ho azy. Nefa izy ireo tsy nankasitraka ny fomba nikarakaran’Andriamanitra azy. Koa nandefa an’ireo bibilava misy poizina ireo àry i Jehovah mba hanasaziana ny Israelita. Nanaikitra azy ireo menarana, ary maro taminy no maty.

Farany dia nanatona an’i Mosesy ny olona ary nilaza hoe: ‘Nanota izahay, satria niteny nanohitra an’i Jehovah sy ianao. Ankehitriny dia mivavaha amin’i Jehovah mba hanesorany ireto menarana ireto.’

Nivavaka ho an’ny olona àry i Mosesy. Ary i Jehovah dia nilaza tamin’i Mosesy mba hanamboatra io menarana varahina io. Nasainy napetraka teo amin’ny tsato-kazo izy io, ary na iza na iza voakaikitra dia tokony hijery izany. Nataon’i Mosesy izay nolazain’Andriamanitra. Ary ny olona izay voakaikitra dia nijery an’ilay menarana varahina ka sitrana indray.

Misy lesona azo tsoahina avy amin’izany. Isika rehetra, amin’ny heviny iray, dia sahala amin’ireo Israelita izay voakaikitr’ireny menarana ireny. Ao anatin’ny toe-piainana mahafaty isika rehetra. Mijere manodidina, ary ho hitanao fa mihantitra, mihamarary ary maty ny olona. Izany dia satria ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, i Adama sy Eva, dia niodina tamin’i Jehovah, ary zanany avokoa isika rehetra. I Jehovah anefa dia nanao fandaharana mba hahafahantsika ho velona mandrakizay.

Naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany tetỳ an-tany i Jehovah. Nahantona teo amin’ny hazo i Jesosy, satria olona maro no nihevitra fa ratsy izy. Nefa i Jehovah dia nanome an’i Jesosy mba hamonjy antsika. Raha mijery azy isika, raha manaraka azy, dia afaka ny ho velona mandrakizay. Nefa hahafantatra bebe kokoa momba izany isika any aoriana.