Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 42

Niteny ny Ampondra Iray

Niteny ny Ampondra Iray

EFA mba nandre firesahana ny amin’ny ampondra iray niteny ve ianao? ‘Tsia’, hoy angamba ianao. ‘Tsy afaka miteny ny biby.’ Ny Baiboly anefa dia miresaka ny amin’ny ampondra iray izay niteny. Andeha hojerentsika izay nitranga.

Efa akaiky hiditra ao amin’ny tany Kanana izao ny Israelita. Natahotra ny Israelita i Balaka, mpanjakan’i Moaba. Koa nampanalainy ny lehilahy manan-tsaina iray atao hoe Balama mba ho tonga hanozona ny Israelita. I Balaka dia nampanantena fa hanome vola ho an’i Balama, koa dia nitaingina ny ampondrany i Balama ary nanomboka ny diany nankany amin’i Balaka.

Tsy tian’i Jehovah anefa ny hanozonan’i Balama ny vahoakany. Nirahiny àry ny anjely iray nitondra sabatra lava iray mba hijoro teo an-dalana sy hisakana an’i Balama. Tsy afaka nahita ilay anjely i Balama, nefa ilay ampondrany nahita. Koa dia nitady hanalavitra an’ilay anjely ny ampondra, ary farany dia nandry teo amin’ny lalana izy. Tezitra aoka izany i Balama ka nokapohiny tamin’ny hazo ny ampondrany.

Avy eo dia nataon’i Jehovah izay handrenesan’i Balama ny ampondrany miresaka aminy. ‘Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao aho?’, hoy ny fanontanian’ilay ampondra.

‘Namazivazy ahy ianao’, hoy i Balama. ‘Raha nanana sabatra aho dia ho namono anao!’

‘Moa efa mba nanao anao toy izao va aho teo aloha?’, hoy ny fanontanian’ilay ampondra.

‘Tsia’, hoy ny navalin’i Balama.

Dia navelan’i Jehovah i Balama hahita ilay anjely nijoro teo amin’ny lalana ary nitana sabatra. Hoy ilay anjely: ‘Nahoana no nikapoka ny borikinao ianao? Tonga mba ho mpisakana anao aho, satria tsy tokony handeha hanozona ny Israely ianao. Raha tsy nivily ahy ny ampondranao, dia ianao no ho nasiako ho faty, fa tsy ho namely ny ampondranao aho.’

Hoy i Balama: ‘Efa nanota aho; tsy fantatro hoe ianao no nijoro teo an-dalana.’ Navelan’ilay anjely handeha i Balama, ary lasa nankany amin’i Balaka i Balama. Mbola nitady hanozona ny Israely ihany izy, nefa i Jehovah kosa nanao izay hitsofany rano ny Israely intelo.