Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 44

Nafenin-dRahaba Ireo Mpisafo Tany

Nafenin-dRahaba Ireo Mpisafo Tany

SAHIRANA ireo lehilahy ireo. Tokony handositra izy ireo, raha tsy izany dia ho faty. Mpisafo tany israelita izy ireo, ary ilay vehivavy manampy azy dia i Rahaba. Eto no mipetraka i Rahaba, ao amin’ny trano iray eo amin’ny mandan’ny tanànan’i Jeriko. Aoka hojerentsika ny antony nahasahirana an’ireo lehilahy ireo.

Vonona hiampita ny Ony Jordana mba hiditra ao amin’ny tany Kanana izao ny Israelita. Alohan’ny hanaovan’izy ireo izany anefa, dia nirahin’i Josoa ny mpisafo tany roa. Hoy izy taminy: ‘Mandehana, fantapantaro ny tany sy ny tanànan’i Jeriko.’

Rehefa tonga tao Jeriko ireo mpisafo tany, dia nankao amin’ny tranon-dRahaba. Nisy olona iray anefa nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: ‘Nisy Israelita roa tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.’ Rehefa ren’ny mpanjaka izany dia naniraka olona izy ho any amin-dRahaba, ary nandidy azy izy ireo hoe: ‘Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo!’ Nefa i Rahaba dia nanafina ireo mpisafo tany tao an-tafontranony. Hoy àry izy: ‘Tonga tatỳ amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay niaviany. Ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy. Enjeho faingana izy, fa ho tratranareo!’ Ary dia nanenjika azy ireo ny olona.

Rehefa lasa ny mpanenjika, dia nihazakazaka nankany an-tafontrano i Rahaba. ‘Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity’, hoy izy tamin’ireo mpisafo tany. ‘Renay ny fomba nanamainany ny Ranomasina Mena fony nandao an’i Ejipta ianareo, sy ny fomba namonoanareo an’i Sihona sy Oga mpanjaka. Nampiseho hatsaram-po taminareo aho, koa raha sitrakareo, omeo fampanantenana aho fa haneho hatsaram-po amiko ianareo. Vonjeo ny raiko sy reniko, ary ny anadahiko sy rahavaviko.’

Nampanantena ireo mpisafo tany fa hanao izany, nefa misy zavatra tsy maintsy hataon-dRahaba. ‘Raiso io tady mena io ary afatory amin’ny varavarankelinao’, hoy ireo mpisafo tany, ‘ary angony ny havanao rehetra ho ao an-tranonao miaraka aminao. Ary rehefa hiverina izahay haka an’i Jeriko, dia ho hitanay eo amin’ny varavarankelinao io tady io ary tsy hamono na iza na iza ao an-tranonao izahay.’ Rehefa niverina tany amin’i Josoa ireo mpisafo tany, dia nolazainy taminy izay rehetra nitranga.