Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 45

Fiampitana ny Ony Jordana

Fiampitana ny Ony Jordana

JEREO! Eo am-pitana ny Ony Jordana ny Israelita! Nefa aiza ny rano? Satria be orana tamin’izay fotoana izay, dia vao avy tondraka be ny ony minitra vitsivitsy talohan’izao. Izao anefa dia lasa avokoa ny rano! Ary ny Israelita dia mamakivaky eo amin’ny tany maina sahala amin’ny nataony teo amin’ny Ranomasina Mena! Nankaiza ny rano rehetra? Aoka hojerentsika.

Rehefa tonga ny fotoana hiampitan’ny Israelita ny Ony Jordana, dia izao no nasain’i Jehovah nolazain’i Josoa tamin’ny vahoaka: ‘Tokony hilanja ny fiaran’ny fanekena ny mpisorona ary handeha eo anoloantsika. Rehefa mikasika ny ranon’ny Ony Jordana ny tongotr’izy ireo, dia hijanona tsy hikoriana ny rano.’

Noraisin’ny mpisorona àry ny fiaran’ny fanekena, ary nentiny teo anoloan’ny olona. Rehefa tonga teo Jordana ireo mpisorona dia nanitsy nankao anaty rano. Sady nahery be izany no lalina indrindra. Nefa raha vao nikasika ny rano ny tongotr’izy ireo, dia nanomboka nijanona tsy nikoriana ny rano! Fahagagana izany! Nasian’i Jehovah fefy ny rano avy any ambony. Noho izany, vetivety dia tsy nisy rano intsony tao amin’ilay ony!

Ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny fanekena dia nandeha avy hatrany nankeo ampovoan’ny ony maina. Tazanao ve rizareo eo amin’ny sary? Raha mbola nijoro teo izy, ny Israelita rehetra dia nandeha namakivaky ny Ony Jordana teo amin’ny tany maina!

Rehefa avy niampita ny rehetra, dia nasain’i Jehovah nilazan’i Josoa toy izao ny lehilahy matanjaka 12: ‘Mandehana mankeo amin’ny ony eo amin’izay ijoroan’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena. Makà vato 12, ary atobio eo amin’izay hitoeranareo anio alina izany. Koa amin’ny andro ho avy, raha manontany ny amin’ny anton’ireo vato ireo ny zanakareo, dia hilaza aminy ianareo fa tapaka ny rano rehefa nita ny Jordana ny fiaran’ny faneken’i Jehovah. Hampahatsiahy anareo izany fahagagana izany ireo vato ireo!’ Nametraka vato 12 koa teo amin’izay nijoroan’ny mpisorona tao amin’ny ony i Josoa.

Farany dia hoy i Josoa tamin’ireo mpisorona nitondra ny fiaran’ny fanekena: ‘Miakara avy eo Jordana ianareo.’ Raha vantany vao nanao izany izy, dia nanomboka nikoriana indray ny ony.