Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 47

Mpangalatra Iray teo Amin’ny Israely

Mpangalatra Iray teo Amin’ny Israely

JEREO izay alevin’io lehilahy io ao anaty lainy! Akanjo lava tsara tarehy iray sy tapa-bolamena iray ary sekely volafotsy vitsivitsy. Avy ao amin’ny tanànan’i Jeriko no nakany ireo. Nefa inona no tokony ho natao tamin’ireo zavatra tao Jeriko? Tsaroanao ve?

Tokony ho nolevonina izany, ary ny volamena sy ny volafotsy dia tokony ho natolotra ho an’ny rakitry ny tranolain’i Jehovah. Koa tsy nankatò an’Andriamanitra àry ireto olona ireto. Nangalatra izay an’Andriamanitra izy. Akana no anaran’ilay lehilahy, ary anisan’ny fianakaviany ireo miaraka aminy. Aoka hojerentsika izay nitranga.

Taorian’ny nangalaran’i Akana ireo zavatra ireo, i Josoa dia naniraka lehilahy sasany mba hanafika ny tanànan’i Ay. Nefa resy tamin’ny ady izy ireo. Maty ny sasany, ary nandositra ny sisa. Nalahelo aoka izany i Josoa. Niankohoka tamin’ny tany izy ary nivavaka tamin’i Jehovah: ‘Nahoana no navelanao hitranga aminay izao?’

Namaly i Jehovah hoe: ‘Mitsangàna! Nanota ny Israely. Naka sasany amin’ny zavatra tokony holevonina na homena ho an’ny tranolain’i Jehovah izy. Nangalatra akanjo lava tsara tarehy iray izy ary nanafina izany. Tsy hitahy anareo aho ambara-pandevonareo izany, sy ilay naka ireo zavatra ireo.’ Nilaza i Jehovah fa hasehony an’i Josoa ilay olona ratsy fanahy.

Novorin’i Josoa àry ny olona rehetra, ary navahan’i Jehovah i Akana, lehilahy ratsy fanahy. Hoy i Akana: ‘Nanota aho. Nahita akanjo lava tsara tarehy aho, sy tapa-bolamena ary sekely volafotsy. Niriko fatratra loatra izany ka nalaiko ho ahy. Ho hitanareo milevina ao amin’ny tranolaiko izany.’

Rehefa hita ireo zavatra ireo ary nentina tany amin’i Josoa, dia hoy izy tamin’i Akana: ‘Nahoana ianao no nitondra fahasahiranana ho antsika? Ankehitriny i Jehovah dia hitondra fahasahiranana ho anao!’ Tamin’izay dia nitora-bato an’i Akana sy ny fianakaviany ho faty ny olona rehetra. Moa ve tsy mampiseho izany fa tsy tokony haka na oviana na oviana zavatra izay tsy antsika isika?

Taorian’izany dia nandeha nanafika an’i Ay indray ny Israely. Tamin’izay dia nanampy ny olony i Jehovah ary nandresy tamin’ny ady izy ireo.