Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 48

Ireo Gibeonita Hendry

Ireo Gibeonita Hendry

MARO amin’ireo tanàna tany Kanana izao no vonona hiady tamin’ny Israely. Nihevitra izy ireo fa ho afaka handresy. Nefa ny mponina tao amin’ny tanànan’i Gibeona teo akaiky teo dia tsy mba nieritreritra toy izany. Nino izy fa nanampy ny Israelita Andriamanitra ary tsy naniry hiady tamin’Andriamanitra izy. Fantatrao ve àry ny nataon’ny Gibeonita?

Nanapa-kevitra izy fa hanao izay hiheverana azy ireo ho monina any amin’ny toerana tena lavitra. Koa ny sasany tamin’ny lehilahy dia nanao akanjo rovitra sy kapa tonta. Nampitondrainy lasaka rovitra ny ampondrany, ary nitondra mofo maina sasany tranainy izy. Nankany amin’i Josoa izy avy eo ary niteny hoe: ‘Avy any amin’ny tany faran’izay lavitra izahay, satria efa renay ny momba ny Andriamanitrareo lehibe, dia i Jehovah. Efa renay ny zavatra rehetra nataony ho anareo tany Ejipta. Koa nilaza taminay ireo mpitarika anay mba haka sakafo sasany sy ho vonona handeha lavitra ary hilaza aminao hoe: “Mpanomponao izahay. Manaova fanekena aminay fa tsy hiady aminay ianareo.” Azonao jerena fa rovitra ny fitafianay noho ny dia lavitra ary efa tonga bobongolo sy maina ny mofonay.’

Nino izay nolazain’ny Gibeonita i Josoa sy ny mpitarika hafa. Koa dia nanao fanekena izy fa tsy hamely azy ireo. Nefa telo andro tatỳ aoriana dia fantany fa raha ny marina dia nonina teo akaiky teo ny Gibeonita.

‘Nahoana ianareo no nilaza taminay fa avy any an-tany lavitra?’, hoy ny fanontanian’i Josoa azy ireo.

Hoy ny navalin’ny Gibeonita: ‘Nanao izany izahay satria nolazaina taminay fa i Jehovah Andriamanitrareo dia nampanantena fa hanome anareo ity tany manontolon’i Kanana ity. Koa natahotra izahay sao hovonoinareo.’ Nefa nitana ny fanekena nataony ny Israelita ka dia tsy namono ny Gibeonita izy. Fa nataony mpanompony fotsiny izy ireo.

Tezitra ny mpanjakan’i Jerosalema satria nanao fihavanana tamin’ny Israely ny Gibeonita. Hoy izy tamin’ny mpanjaka efatra hafa: ‘Avia ka ampio aho mba hiady amin’i Gibeona.’ Ary izany no nataon’ireo mpanjaka dimy ireo. Moa ve naneho fahendrena ny Gibeonita raha nihavana tamin’ny Israely, satria izany ankehitriny no nahatonga ireo mpanjaka ireo ho avy hamely azy? Ho hitantsika izany.