Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 49

Nijanona ny Masoandro

Nijanona ny Masoandro

JEREO i Josoa. Hoy izy: ‘Ry masoandro, mijanòna!’ Ary dia nijanona ny masoandro. Tsy nihetsika teo ampovoan’ny lanitra izany indray andro maninjitra. Nataon’i Jehovah izay hitrangan’izany! Aoka anefa hojerentsika ny antony nanirian’i Josoa ny masoandro hazava hatrany.

Rehefa nanomboka niady tamin’ny Gibeonita ireo mpanjaka dimy ratsy tao amin’ny tany Kanana, ny Gibeonita dia naniraka lehilahy iray mba hangataka an’i Josoa hanampy azy. ‘Tongava haingana atỳ aminay!’, hoy izy. ‘Vonjeo izahay! Ny mpanjaka rehetra any amin’ny faritany be havoana dia tonga mba hiady amin’ny mpanomponao.’

Nandeha avy hatrany i Josoa sy ny lehilahy mpanafika rehetra. Nandeha an-tongotra nandritra ny alina manontolo izy. Rehefa tonga tao Gibeona izy ireo, ny miaramilan’ny mpanjaka dimy dia natahotra ary nanomboka nandositra. Avy eo dia nataon’i Jehovah izay hisian’ny havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra, ary maro kokoa ny miaramila matin’ny havandra noho izay novonoin’ireo lehilahy mpanafik’i Josoa.

Hitan’i Josoa fa tsy ela dia hilentika ny masoandro. Ho maizina amin’izay, ary maro amin’ireo miaramilan’ny mpanjaka dimy ratsy no handositra. Koa izany no antony nivavahan’i Josoa tamin’i Jehovah ary hoy izy avy eo: ‘Ry masoandro, mijanòna!’ Ary rehefa nitohy nanazava ny masoandro, dia afaka namita ny fahazoany fandresena ny Israelita.

Mbola maro kokoa noho ireo ny mpanjaka ratsy tao Kanana izay nankahala ny vahoakan’Andriamanitra. Nila enin-taona i Josoa sy ny tafiny mba handresena mpanjaka 31 tao amin’ilay tany. Rehefa vita izany, dia nataon’i Josoa izay hizarana ny tany Kanana amin’ireo foko mbola nila faritany.

Lasa ny taona maro, ary maty i Josoa tamin’ny farany rehefa 110 taona. Raha mbola velona koa izy sy ireo namany, dia nankatò an’i Jehovah ny olona. Nefa rehefa maty ireo lehilahy tsara ireo, dia nanomboka nanao zava-dratsy ny olona ary nahita fahasahiranana. Tamin’izay indrindra izy ireo no nila ny fanampian’Andriamanitra.