Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 50

Vehivavy Roa Nahery Fo

Vehivavy Roa Nahery Fo

REHEFA nahita fahasahiranana ny Israelita, dia nitaraina tamin’i Jehovah izy. Namaly azy ireo i Jehovah tamin’ny fanomezana mpitarika mahery fo mba hanampy azy. Antsoin’ny Baiboly hoe mpitsara ireny mpitarika ireny. I Josoa no mpitsara voalohany, ary ny sasany tamin’ireo mpitsara taoriany dia nantsoina hoe Otniela, Ehoda ary Samgara. Nefa ny roa tamin’ny olona izay nanampy ny Israely dia vehivavy nantsoina hoe Debora sy Jaela.

Mpaminanivavy i Debora. Nanome azy fanambarana momba ny hoavy i Jehovah, ary avy eo izy dia nanambara tamin’ny olona izay nolazain’i Jehovah. Mpitsara koa i Debora. Nipetraka teo am-pototry ny palmie iray tao amin’ny faritany be havoana izy, ary tonga teo aminy ny olona mba hahazo fanampiana amin’ny zava-manahirana azy.

I Jabina no mpanjakan’i Kanana tamin’izany fotoana izany. Nanana kalesy fiadiana 900 izy. Nahery aoka izany ny tafiny ka Israelita maro no voatery nanjary mpanompon’i Jabina. I Sisera no filohan’ny tafik’i Jabina mpanjaka.

Indray andro i Debora dia naniraka nampaka an’i Baraka Mpitsara ary niteny taminy hoe: ‘Hoy i Jehovah: “Makà lehilahy 10 000 ary ento mankany amin’ny Tendrombohitra Tabora izy ireo. Hoentiko any i Sisera hihaona aminao. Hanome anao fandresena azy sy ny tafiny aho.”’

Hoy i Baraka tamin’i Debora: ‘Handeha aho raha handeha hiaraka amiko ianao.’ Niaraka taminy i Debora, nefa hoy izy tamin’i Baraka: ‘Tsy hahazo voninahitra avy amin’ny fandresena ianao, satria eo an-tanan’ny vehivavy iray no hanoloran’i Jehovah an’i Sisera.’ Ary izany no nitranga.

Nidina avy eo amin’ny Tendrombohitra Tabora i Baraka mba hihaona amin’ny miaramilan’i Sisera. Vetivety teo dia nandefa tondra-drano i Jehovah, ary maro tamin’ny miaramila fahavalo no maty an-drano. Nefa niala tamin’ny kalesiny i Sisera ary nandositra nandeha an-tongotra.

Fotoana fohy taorian’izay dia tonga tao amin’ny lain’i Jaela i Sisera. Nasain-dravehivavy hiditra izy, ary nomeny ronono. Nahatonga azy hatory izany, ary vetivety dia renoky ny torimaso izy. Avy eo i Jaela dia naka tsima-day ary natsatony teo amin’ny lohan’ilay lehilahy ratsy fanahy izany. Tatỳ aoriana, rehefa tonga i Baraka, dia nasehony azy i Sisera efa maty! Koa dia azonao atao ny mahita fa marina izay voalazan’i Debora.

Novonoina koa i Jabina tamin’ny farany, ary dia nanana indray fiadanana vetivety ny Israelita.